16/08/2018

Tafika Malagasy : “Tsy manaiky Tetezamita vaovao”

Taorian’ny hetsika natao teny amin’ny kianjan’ny 13 Mai ny sabotsy lasa teo, dia nanao fanambarana ny vondron-tafika , izay ahitana ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena omaly teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena teny Ampahibe fa tsy hanaiky ny hisian’ny tetezamita vaovao. “Ny mpitandro ny filaminana dia tsy hanaiky mihitsy rafi-pitondràna napetraka ivelan’ny fifidianana, satria izay no mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana manan-kery”, hoy ny nambaran’ny Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier, minisitry ny Fiarovam-pirenena nisolo tena ireo vondron-tafika rehetra tamin’ny fitondrana ny fitenenana. Nanamafy ihany koa ireo mpitandro filaminana fa tsy hanaiky ny hanaovana ny Tanindrazana ho sahan’ady politika politisiana.”Manohitra ny fambolena korontana amin’ny endriny rehetra, izay tsy mendrika an’i Madagasikara intsony izahay, na avy amin’iza na avy amin’iza”, hoy hatrany ny voalaza. Ankoatra izay, dia nanamarika ihany koa ireo vondron-kery miisa telo ireo fa hanatanteraka hatrany ny andraikitr’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany araka izay voafaritry ny lalàna manan-kery . “Tsy mieritreritra ny hanatanteraka iraka mifanohitra amin’izany izahay, ary marihina fa ho fisorohana ny fifandonana mahery vaika izay mety hitarika voina goavana eo amin’ny samy Malagasy no nisafidiananay hisintaka ny faritra narovana”, hoy ihany ny fanampim-panazavan’ity tompon’andraikitra ambony nitondra teny ity. Isan’ny nohatintranterin’ireo mpitandro filaminana, io omaly io ihany koa ny fampahafantarana ny vahoaka fa maro ireo vaovao tsy marim-pototra iniana aely sy voizina mba handotoana sy hanaratsiana azy ireo. Noho izany rehetra izany, dia nanentana ny rehetra ireo vondron-tafika mba ho tony, ary tsy hijery afa-tsy ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Ankoatra ny minisitry Fiarovam-pirenena, dia nanasonia io fanambarana io ihany koa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Andrianisa Mamy Lean Jacques , sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Randriamahavalisoa Girard. Nanatrika io fotoana omaly io ihany koa ny lehiben’ny fibaikoana isaka ny vondron-kery, izay nahitana ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, ny “commissaire central”, Tsaramonina Jean Victor sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana hafa.

Mialy R.