21/10/2018

Solika : Nisondrotra 90 ar isaka ny litatra

Omaly hariva no nahitana ny fisondrotry ny vidin’ ny solika ho 90 Ariary isaka ny litatra eo amin’ireo solika fandrehitra teny amin’ ireo toby mpaninjara solika, raha tsiahivina ny fiakaran’ny vidin’ny solika teo aloha dia tafakatra 80 Ar izany ny faran’ny volana lasa teo. Miankina betsaka amin’ny sandam-bola malagasy,  izany hoe ny lanjan’ny Ariary tokoa ny vidin’ ny solika eto an-toerana, miara- dalana amin’izany ihany koa ny vidin’ny barila any ivelany,   izay efa tafakatra hatrany amin’ ny 62 Dolara. Noho izany dia tahaka izao indray ny vidin’ny solika eny amin’ireo mpanijara manoloana io fisondrotana io, ny gasoil raha 3 100 Ar ny litatra dia lasa 3 190 Ar, ny lasantsy tsotra dia 3 750 izay lasa 3 840 Ariary, ary ny pétrole, izay 2 280 Ariary teo aloha dia lasa  2 370 Ariary izao.