22/05/2018

Sokatra tratra tany Fianarantsoa : Nadoboka am-ponja ny mpamilin’ilay fiara Sprinter

Taorian’ny niakaran’ny raharaha teo anatrehan’ny fampanoavana tany Fianarantsoa omaly, dia fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika any an-toerana ny mpamilin’ilay fiara taksiborosy Sprinter, tratran’ny polisin’ny Fip nitondra zana-tsokatra miisa 245 sy rongony 10 gony, teo amin’ny barazy Ankidona. Ny atalata lasa teo ity lehilahy ity no efa nohenoana teny amin’ny tribonaly, tao amin’ity distrika ity, saingy naverin’ny teo anivon’ny fitsaràna ny dosie mahakasika azy ary izao nitohy omaly izao. Tsy nety nilaza hatramin’ny farany ny olona handefasana ireo entana ireo teto Antananarivo moa ny tenany, raha toa ka efa fantatra fa avy any Sakaraha no niavian’izany. Noho izay antony izay, dia nametraka fiahiana mafy ireo mpitandro ny filaminana nandray an-tanana ny famotorana fa azy ihany ireo zava-mahadomelina sy ireo harem-pirenena nokasaina haondrana ireo. “Mazava ny antony tsy hitenenany ary tsy nitondra ireo entana ireo izy raha tsy azy izany”, hoy ny nambaran’ny kaomisera iray eo anivon’ny kaomisaria foibe any Fianarantsoa. Raha tsiahivina, dia ny alin’ny alahady, tokony tamin’ny 10 ora sy sasany no sarona ity fiara taksiborosy nitondra sokatra tao anaty vatapaty ity, izay tsy nahitàna taratasy na iray aza. Nirifatra nitsoaka io fiara io rehefa nahita ireo polisy nanao ny asany teo amin’io Barazy Ankidona io, ka raikitra ny fanenjehana tamin’ny moto ary izao tra-tehaka izao. Efa eny am-pelatanan’ ny eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana moa ireo biby ireo, izay marihina fa maty ny dimy tamin’izany.

Mialy R.