12/12/2017

“Sôdôma sy Gômôro!” :

Aza mba ny zavatra no azon’ny gasy e! Mahalaza zavatra betsaka tokoa io fitenenana iray io. Tsy maintsy misy tranga mampitsangam-bolo foana raha vao isika Malagasy no manao zavatra. Natao hialana voly ohatra no nanamboaran’ny vazaha ny basim-borona, amonoana olona kosa izany eto amintsika; natao hanamaivanana ny fitaterana olona sy entana no namoronan’ny Mercedes ny fiara Sprinter, isetrasetrana miteraka fahafatesan’olona lava izao izany eto amintsika, sns. Dia toraka izany koa ny “karaoke” e!

Hianarana mihira, hialana voly ary hifalifaliana kanefa tsy misahirana firy no antony namoronan’ny vazaha ireny “karaoke” ireny. Zava-doza kosa anefa ity resaka “karaoke” ity rehefa azon-dRamalagasy. Saika ahitana “karaoke” avokoa ny vodirindrina rehetra, rehefa misy efitrano azo ametrahana vata fahitalavitra hamakiana tononkira. Tsy resahana intsony ny loto sy ny fofona fa ny tena loza dia lasa armagedona kely mihitsy ny ankamaroan’izy ireny: toaka, firaisana ara-nofo, rongony, totohondry, sns.

Sôdôma sy Gômôro” ny zava-mitranga any anatin’ireny “karaoke” ireny, indrindra ireo “karaoke” kitoatoa any anaty tanàna tsy ampoizina ireny. Firy akory ireo zazavavy tsy ampy taona nitondra vohoka sy ireo namoy ny ainy vokatry ny tsindrona antsy, sns. Ireny “karaoke” ireny no anisan’ny mitarika ny tanora hangalatra, hamaky trano, hisoloky mba ahazoana vola “hirevena”  sy “hampirevena sipa”.

Ilàna fandraisana fepetra hentitra ity resaka “karaoke” ity, ankoatra ny ora ahafahany misokatra dia eo indrindra koa ny taonan’ny olona mahazo miditra amin’izy ireny. Tsy maintsy misy resaka toaka sy alikaola hatrany mantsy ka lasa loza mitatao ho an’ny tanora, indrindra moa rehefa mamomamo tsara iny ry zalahy mitondra scooter! Tandindomin-doza tanteraka mihitsy ny ankizy amin’ity “karaoke” ity ka tokony hisy hetsika manokana ataon’ny mpitondra fanjakana.

Masoivoho