19/12/2018

Soavimasoandro : Nidoboka am-ponja ilay adala nahafaty olona

Taorian’ny nitondrana ny raharaha teo anatrehan’ny fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo, dia fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay lehilahy voalaza fa tsy salama saina nahafaty tovolahy 20 taona teny Soavimasoandro. Talohan’ny nanolorana azy teny amin’ny tribonaly teny Anosy, dia nanaovana fitiliana teny Anjanamasina ihany koa ny tenany ahafahana manamarina fa manana tsy fahatomombanana ara-tsaina tokoa ity farany. Mandra-piandry ny valin’io fitiliana io, dia nentina teny amin’ny mpampanoa lalàna ny raharaha, satria dia efa dila ny fe-potoana ahafahan’ny mpitandro filaminana mitazona azy. Raha tsiahivina, dia ny alakamisy 08 martsa lasa no nisehoan’ity tranga ity. Notorahan’ity lehilahy voalaza fa tsy salama saina ity ny tovolahy miisa telo mpinamana, ka isan’izany io namoy ny ainy io. Refefa izany dia nifanenjehan’ireto farany izy ka tamin’izany no nandraisany antsy tamina mpivarotra tsy lavitra teo, ka natrobany avy hatrany tany amin’ity niharan-doza ity. Nitari-dositra nitsoaka tany an-tranony ilay nahavanon-doza izay efa saika niharan’ny hatezeram-bahoaka avy eo, ka nandray andraikitra tamin’ny fisamboarana azy ireo mpitandro filaminana. Araka ny fanampim-baovao hatrany, dia fantatra fa efa nihidy telo volana teny Anjanamasina io lehilahy io ny taona 2016. Nentina novonjena teny amin’ny toeram-pitsaboana iray teny Ankorondrano moa io tovolahy voatsindron’antsy io, saingy tsy tana intsony ny ainy. Notanterahina ny alahady teo teny Itaosy ny fandevenana ny vata mangatsiakany.

Mialy R.