19/07/2018

Seranam-piaramanidina tao Toliara : Nasain’ny vahoaka nody Ravalomanana

Tapitra hatreo ny nofinofin-dRavalomanana raha ny faritra atsimon’ ny nosy iny no jerena, manoloana ny fihetsika izay nasehon’ny mponin’ i Toliara ny sabotsy lasa teo tao amin’ ny seranam-piaramanidina. “ Ravalo molia, Ravalo tsy mila anao Toliara” ireo no re teny am-bavan’ireo vahoaka tonga nitsena ity filoham-pirenena teo aloha ity. Maro dia maro tokoa ireo olona tonga teny an-toerana nitsena an-dRavalomanana, ary azo lazaina hoe fitsapana ihany no nataony, taorian’ny zava-nitranga tamin ny taona 2002, izay nanaovany fay rano ireo faritany dimy. Manginy fotsiny ihany koa ny nataon’ny zanadambo tamin’ izany fotoana izany tany amin’ny tananan’i Toliara, izay izy ireo no lasa fanjakana tamin’ izany fotoana. Noho izany dia efa nampoizin’i dRavalomanana ihany ny fitsenana azy. Ny taona 2009 indray dia efa notsenain’ny mponin’ i Toliara tamin’ ny tora-bato tokoa ny kortezy izay nitondra azy, nefa raha tsiahivina dia mbola tokony ho nisy ny latabatra boribory izay niarahany tamin’ i Andry Rajoelina sy ireo mpanelanelana. Ny tsara ho fantatra dia noho ny nation-dRavalomanana Marc ny vahoakan’i Toliara no mety anton’ izao fandavana izao, fa tsy sanatria akory hoe fanavakavahana. Marihina mantsy fa mbola tonga soa any Toliara tokoa ny filoha ankehitriny, izay vao nitokana zava-bita tany an-toerana farany teo, ary tsy izay ihany fa eo ihany ny minisitra samihafa. Noho izany dia efa tokony ho tonga saina ingahy Ravalomanana manoloana ny fihetsika izay asehon’ny olona manoloana ny fiaviany amin’ny toerana hafa tahaka izao.

Iratra Raitra