22/09/2018

Seranam-piaramanidina Ivato:TONGA NY FILOHAN’I KOSOVO SY MACÉDOINE

Valo be izao ny delgasiona tonga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Filoham-pirenena roa, praiministra dimy, minisitra filohana governemanta iray no tonga teny omaly. Ny efatra tamin’izy ireo dia tamin’ny misasaka alina no tonga. Ireto avy izy ireo, ny minisitra filohan’ny governemanta, Fédération Wallonie de Bruxelles, Rudy Demotte no tonga omaly maraina tamin’ny 9 ora, nentin’ny zotra-piaramanidina SS 874. Ny Filohan’ny Repoblikan’i Kosovo, Hashim Thaci,  Zotra Kenya Airways, ny praiminisitra Maorisiana, Anerood Jugnauth, zotra-piaramanidina Air MK, ny Praiminisitra Québecois, Philippe Ciullard, zotra AF 934, ny filohan’ny Repoblikan’i Macédoine, Gjorge Ivanov, zotra-piaramanidina TK 160, minisi-panjakana avy any Monaco, izay mitovy laharana amin’ny Praiminisitra aty amintsika,  Serge Telle, dia tonga tamin’ny zotra-piaramanidina AF 934. Ny lehiben’ny governemanta avy amin’ny Principauté d’Andorre, Marti Petit Antoni, dia tonga tamin’ny zotra-piaramanidina AF 934, ary ny praiminisitra « Canada Nouveau Brunswixk », Brian Gallant, zotra-piaramanidina AF 934.

Mbola hanao sesilany

Mbola ho maro noho ireo no ho avy anio ary tsy hatory mandra-paharain’ny andro ny mpikarakara amin’izany satria tahaka ny filoha Frantsay izao dia maraina ben’ny sabotsy 26 novambra 2016 no tonga. Manomboka amin’izao ora hanoratana izao ka mandra-pahatonga ny rahampitso dia tsy ho tapitra ny fandraisana an’ireo filoham-panjakana sy ny delegasiona miaraka aminy. Tsy maintsy ho fararanom-bahiny isika mandra-pahavita io fotoana fandraisana ny fivorian’ny Frankôfônia io. Tsiahivina fa iray volana talohan’ny fivoriana dia efa feno avokoa ny trano fandraisam-bahiny lehibe. Betsaka no mbola te ho tonga teto saingy noho io tranga io dia tsy afaka nanatrika izy ireo. Midika izany fa tena mitondra tombontsoa lehibe izao fandraisana ny Frankôfônia izao.

Ny Aina Razaka