19/11/2018

Seranam-piaramanidina Ivato : Teratany maorisianina maty tampoka

Lehilahy teratany maorisianina 61 taona no maty tampoka vokatry ny fijanonan’ny fo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 04 ora sy 50 minitra hariva. Araka ny loharanom-baovao avy eny an-toerana dia nandritra ny fotoana nampidirana ireo mpandeha tao anatin’ny fiaramanidina Air Mauritius handeha ho any amin’ny nosy rahavavy Maorisy no nisehoan’izany. Raha ny voalazan’ny vadiny moa dia diabetika ity teratany vahiny namoy ny ainy ity.

Mialy R.