18/11/2018

Seranam-piaramanidina Ivato : Hiova endrika tanteraka

Raikitra amin’izay ny tena asa. Taorian’ny fametrahana ny vato fehizoro, nosantarina omaly ny fanombohan’ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Afaka telo taona eo ho eo, ho afaka handray fiaramanidina efatra miaraka ny seranam-piamanidina vaovao eny Ivato ka ny telo amin’izy ireo dia hampiasa irony karazana tonelina mampitohy avy hatrany ny toerana fiandrasana ny fiaramanidina. Tontosa omaly teo amin’ny toerana hanatanterahina ny asa ny lanonana notarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ho fanombohana ny asa. « Efa 50 taona no nisian’ny seranam-piaramanidina teo aloha, fa tao anatin’ny roa taona kosa no niezahantsika hanombohana ny asa », araka ny fanamarihany tamin’ny lahateniny. Sehatra iray nandrasana tamin’ny fanatanterahana ny asa ny fanangonana ireo loharanom-bola hanatanterahana ny asa izay fiaraha-miasa avy amin’ny sehatra tsy miankina samihafa  ary tarihin’ny orinasa Ravinala Airports izay miandraikitra ny fitantanana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Fascène any Nosy Be.

Hanana endrika maoderina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity seranam-piaramanidina vaovao ity izay afaka handray mpandeha hatrany amin’ny 1.700.000 isan-taona. Ao anatin’ny velaran-tany 17.500m² no hametrahana ireo fotodrafitrasa izay ahitana ny trano lehibe maoderina nefa  mametraka ny endrik’i Madagasikara. « Manana  endrika Ravinala io trano lehibe io ary hanaraka ny fenitra sy ireo fepetra  iraisam-pirenena », araka ny fanazavan’ny Ravinala airports.  Ao anatin ‘izany ny fiarovana amin’ny afo, ny toerana fanadiovana ireo rano maloto, ny fanavahana ny solika…

Ny ministera misahana ireo Tetikasan’ny filoham-pirenena, ny Fanajariana ny tany ary ny Fampitaovana no miantsoroka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny asa hotanterahin’ny Ravinala Airports izay nanankina ny ampahan’ny asa amin’ny orinasa CMBI ahitana ny Colas Madagascar sy Boutgues Bâtiment International. « Misy amin’ireo kojakoja ampiasaina amin’ny fanorenana no efa vita aloha ka ny fanambarana no atao eto », araka ny fanazavan’izy ireo.

 

Miarantsoa

Ireo fotodrafitrasa hita ao amin’ny seranam-piaramanidina vaovao

  • Tonelina telo mifandray mivantana amin’ny fiaramanidina
  • Fiantsonana ho an’ny fiara 400
  • Velaran-tany 17.500m²
  • Trano fisakafoanana
  • Duty Free
  • Toeram-pivarotana lamaody, firavaka fahatsiarovana, asa-tanana…
  • Toeraka fanakalozam-bola sy banky
  • Fampanofana fiarakodia
  • Wifi
  • Fandraisana ireo olo- manankaja
  • Biraon’ireo kaompania mpitatitra
  • Fret…