21/09/2018

Seho voalohany : Tafitan’i Rossy ny « Hafatra » tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina

Na tsy hipoka tanteraka aza, dia tafitan’i Rossy ny « Hafatra » nandritra ny seho voalohany nataony tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ao anatin’ny fanakalazana ny faha-30 taonan’ny prorossy sy ny faha-10 taonan’ny m’Ritsoka production, mpikarakara ny seho. Tonga maro namaly ny antson’ity mpanakanto ity ireo mpankafy, ary niara-nikorana sy nitapôlaka nandritra ny ora maromaro. Tsy diso fotoana fa nanomboka tamin’ny 3 ora tsara ny fampisehoana, ary ireo hiram-pitiavana samihafa no nentin’i Rossy nandrotsirotsy ireo mpankafy azy toa ny « Hafatra », « Anilan’ny tiana », « Mahatsiaro »… Tsy hohadinoina ihany koa anefa ireo hira fiderana toa ny « Dia ilay fitia », « Vavaka »… Na ela tsy heno aza ny ampahany betsaka tamin’ireo hira milamindamina ireo, mbola tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy ny ankamaroany, ary porofon’izany ny fiarahan’ny mpijery nikalo ny sasany tamin’ireo hira milamindamina ireo.

Nifantoka tamin’ireo hira mampi-tapôlaka kosa ny fizaram-potoana faharoa, ary dia niara-nitsinjaka hatramin’ny farany ireo mpijery, indrindra ireo teo anoloan’ny sehatra teo amin’ny kianja. Nanamarika hatrany ireo hira rehetra ireo ny « Bampapa », na izao zava-maneno tsofina vita amin’ny varahina. Amin’ny maha seho fankalazana ny tsingerintaona azy, dia nisy ny fanapahana mofomamy niarahan’ny roa tonta.
Nahomby araka izany ny seho voalohany nataon’ny tarika Rossy tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Mbola mitohy ny fankalazana hiarahan’ny tarika Rossy sy ny m’Ritsoka, ary anisan’izany ny seho hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy aoriana kely.

Miarantsoa