23/06/2018

Savorovoro tany Toliara : Mitohy ny fanadihadiana ireo olona 65

Mbola nitohy hatramin’ny omaly alatsinainy ny fanadihadiana ireo olona miisa 65 nosamborina sy notazomina tao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana tany Toliara noho ilay korontana sy sakoroka be niseho tany an-toerana ny zoma lasa teo. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ny fotoana hanolorana ny raharaha eo anatrehan’ny fampanoavana. Raha ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenenba, dia tokony io omaly io no nanatanterahana izany, saingy noho tsy fahavitan’ny famotorana tanteraka dia nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra izany. Fanapotehana zavatr’olona, fanimbana fananana iombonana, fandratrana niniana natao, sy ny maro tsy ho voatanisa no hanenjehana ireto andian’olona marobe ireto. Raha ny fampitam-baovao ao amin’ity distrika ity kosa, dia efa milamina tanteraka ny toe-draharaha any an-toerana noho ny fidiran’izy ireo an-tsehatra ara-potoana. Raha tsiahivina ny zava-nisy, dia nidina andalam-be nanakorontana ny fiarahamonina tao Toliara tamin’ny alalan’ny fametrahana barazy eraka ny arabe ireo mpitarika posy, izay fantatra fa mpiray foko tamin’ilay zazavavy 15 taona noloarana maso, ary hita faty tsy lavitra ny oniversite ao Maninday. Noho ny tsy fahafaliam-pon’izy ireo tamin’ny tsy nandoavan’ny tompon-tranon’ilay ahiana ho nahavanon-doza, ireo omby 33, dia nisy ny fanimban-javatra maro nataon’izy ireo. Tao ihany koa ny fikasihan-tanana izay nandratrana olona tsy manan-tsiny tsy latsaky ny dimy. Rehefa niditra an-tsehatra tamin’ny fandravana ny fihetsiketsehana moa ireo manam-pahefana, dia nisy ny fanapoahana baomba mandatsandranomaso narahina tifi-danitra, ary niafara tamin’ny fisamborana ireo olona miisa 65 ireo.

Mialy R.