15/12/2018

Sarimihetsika : Tsy manao politika fa miresaka politika ny « Gisa mainty »

Ankoatra ny maha-fialamboly azy, dia fitaovana iray entin’ny Scoop Digital sy ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly amin’ny fanabezana ny olom-pirenena ihany koa ny sarimihetsika. Vokatra farany novokarin’io trano mpamokatra io ny « Gisa mainty » izay tsy manao politika nefa miresaka ny tontolo politika eto Madagasikara. « Misy ny hafatra entin’ny tantara ampitaina izay tokony hampieritreritra ny rehetra », araka ny fanamarihan-dRazafimandimby Mamitiana, Talen’ny Scoop Digital. Ankoatra ny lafiny politika, dia voatsindry manokana ao anatin’ny horonantsary ny ady amin’ny kolikoly, ary nitondra ny anjara birikiny sy naneho tan-tsoroka teo amin’ny lafiny ara-làlana sy ny fampitam-baovao ny Bianco. «Ao anatin’ny horonantsary dia misy ny doka fohy 30 segondra manentana ny vahoaka sy ny olom-panjakana hanohitra, hiady ary hamaky bantsilana ny kolikoly indrindra amin’ny sehatry ny fifidianana », hoy hatrany ny Talen’ny Scoop Digital.

Hivoaka an-kapila mangirana, amin’ny endrika DVD, ny alatsinainy 26 marsa izao ny « Gisa mainty 2018 », andiany voalohany izay efa nalefa tanaty efitrano tamin’ny taona lasa. Tsy miandry ela fa ny alatsinain’ny Paka izao no hivoaka anaty efitrano ny « Gisa mainty 2» ka hampiantrano izany ny tranon-tsinema vaovao Plaza. Tsy ho diso anjara koa anefa ireo toerana efa nahazatra dia ny Cinéma Ritz, Rex ary Roxy.

Miarantsoa