24/05/2018

Salazamay Toamasina : May ny magazay fitehirizana jirofo

Nidedadeda indray ny afo tany amin’ny faritanin’i Toamasina, ka lasibatra tamin’izany ny toerana fitehirizana jirofo tao Salazamay. Omaly tokony ho tamin’ny 04 ora maraina tany ho any no nitrangan’ity firehetana ity, ka tsy niandry ela fa niara-nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo avy hatrany ny teo anivon’ny kaominina sy ny mpamonjy voina ary ny ASECNA ao amin’ny seranam-piaramanidina ao Toamasina. Raha ny voalaza, dia fifampikasohan’ny herinaratra no nitarika ny famaizana izay nihitatra vetivety. Nanano sarotra noho izany ny famonoana izany saingy voafehy ihany ny loza fotoana vitsy taorian’izay. Araka ny loharanom-baovao moa, dia nisy lasantsy vita avy amin’ny jirofo tamin’ny barika marobe tao amin’ity magazay fitehirizan’entana ity, ary tahotra noho ny fipoahan’izany izay mety hitera-doza goavana no antony nanampian’ny teo anivon’ny ASECNA ireo mpamonjy voina. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Mialy R.