15/12/2018

Sakoroka tany Morondava : Olona 10 voasambotra

Taorian’ilay sakoroka naharitra hateloana tany Analahiva Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo, dia nanao ny fisamborana avy hatrany ny zandary. Vokany, folo no efa voasambotra. Araka izany, niteraka tsy fitoniana tany an-toerana izany, satria dia efa nivadika tanteraka ny raharaha. Efa mahasahy mifanandrina tanteraka, ary tsy matahotra intsony ireo andian’olona, izay voalaza fa tantsaha avy any Dakara. Araka ny efa nolazaina teto moa, dia ny resaka tsy fanekena ny fanapahan-kevitry ny avy eo anivon’ny fitsarana mahakasika ireo dahalo roa natolotr’izy ireo ny zandary, no nahatonga ny savorovoro. Nahazo fahafahana vonjimaika ireo dahalo miisa telo voarohirohy ho nangalatr’omby ireo, no nampakatra afo ny fokonolona. Nihitatra izany, ka niafara tamin’ny vonoan’olona sy ny fandoroana ny biraon’ny zandary. Nitohy ny hatezeran’ireo vahoaka, ka nanao ny fanakan-dalana izy ireo, ary nivadika ho fandrobana ny fitakiana. Nivadika ho asan-jiolahy, izay no entina hilazana ny zava-niseho tamin’io andro io, satria dia lasibatry ny fandrobana sy fahapotehana fananana avokoa ireo teratany vahiny mpizahatany nandalo teny an-toerana, nandritry ny fanakan-dalana nataon’ireo andian’olona. “Mbola tsy nisy fotoana nanaovana ny fanadihadiana izahay, fa mbola mamerina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana sy fanarahan-dia ireo mpizahatany, niala teo Morondava hatrany Mahabo”, io no nambaran’ny lehiben’ny zandarimaria tany an-toerana. “Taorian’izay vao nisy ny fisamborana, ka ireo olona folo ireo izao no efa notazonina ao amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena hatao famotorana momba ity raharaha ity. Ireo olona voasambotra ireo indrindra no tena atidoha sy nitarika ny fokonolona hiantsy ady niafara tamin’ny fandoroana lakazerina, raha ny fanazavana voaray. Mbola ao anatin’ny famotorana lalina izy ireo amin’izao fotoana izay, ary ho fantatra aorian’izay ny tohiny.

Valérie R.