23/09/2018

Russie 2018 : Firenena faha-7 hiatrika ny ampahefa-dalana i Suède

Andro farany amin’ny ampahavalon-dalana. Firenena faha-7 hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany atao any Russie i Suède. Tao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna no nanilihan-dry zareo ny ekipam-pirenena Suisse tamin’ny isa 1-0. Miandry izay ho tafavoaka eo amin’i Colombie sy Angleterre araka izany ry zareo suédois.

Nivoaka sempotra kosa ny alatsinainy teo ry zareo Belza vao nandresy an’i Japon. Efa nitarika tamin’ny isa 2-0 sy zareo Japoney, dimy minitra taorian’ny nanombohan’ny fizaram-potoana faharoa. Tany amin’ny minitra fanampiny no nibatan’i Suède ny fandresena tamin’ny isa 3-2. Ry zareo Japoney, izay naneho fihetsika niavaka nandritra ny Mondial, satria na ireo mpilalao, na ireo mpomba azy dia manadio hatrany ny toerana andalovan’izy ireo aorian’ny lalao atrehiny n’inona n’inona vokatry ny lalao.

Hanomboka amin’ny zoma izao ny dingan’ny ampahefa-dalana amin’ity lalao iraisam-pirenena ity, ka i Uruguay sy Frantsa no hisantatra izany. Eo amin’ireo lalao hafa no hisian’ny fihaonana eo amin’i Brésil sy Belgique, Russie sy Croatie.

Miarantsoa