18/11/2018

Rugby malagasy : Mitohy hatrany ny fanakorontanana

Tsy mety milamina ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny Rugby eto Madagasikara hatramin’ny androany, na dia efa saika nahitana mangirana kely aza teo aloha teo. Efa miverina any amin’ny federasiona avokoa ohatra ireo fileovana tao anatin’ny Ligin’Analamanga teo aloha, ary efa nomena kara-pilalaovana mifanaraka amin’ny lalàna. Anisan’izany ny fileovana 3FB, ny TFA Anatihazo, sy ireo fileovana azo lazaina ho manana ny maha izy azy, mbola nijanona tao anatin’ny Ligy teo aloha. Ireto ekipa ireto, izay samy mandray anjara amin’ny amboaran’ny Filoham-pirenena nokarakarain’ny malagasy Rugby. Tranga izay nahatezitra ny filohan’ny Ligy teo aloha, ka nahatonga azy sy ny ekipany nikasa ny hanakana ity lalao ity. Marihina, fa tsy ireo fileovana eto an-drenivohitra ihany no mandray anjara amin’ity fifaninanana amin’ny amboaran’ny Filoha ity, fa tonga eto ihany koa ireo fileovana avy amin’ny ligim-paritra rehetra mandrafitra ny federasiona. Ny fifaninanan’ireto farany araka izany no nokorontanin’ireto ekipan’ny filohan’ny Ligin’Analamanga teo aloha ireto, izay nitondrany sora-baventy nanoloana ny fidirana ao amin’ny kianja Makis, ary nokasain’izy ireo nohidina mihitsy aza ireo vavahady rehetra miditra ao amin’io kianja io ny Zoma lasa teo. Nilaza ny hitondra ny raharaha any amin’ireo tompon’andraikitra rehetra ny filohan’ny malagasy Rugby, Marcel Rakotomalala, nanoloana ny fihetsika nifanohitra amin’ny fitsipi-pifehezana nataon’i Ravelojaona Andry sy ny ekipany tamin’io andro io. Tsiahivina fa ny fanaovana fihetsika toa izao no nahatonga ireo mpikambana tao amin’ny fampanajana ny fitsipi-pifehezana nanome sazy, sy nanala ity filohan’ Analamanga Rugby ity.