14/08/2018

Robert Yamate : Izay candida tsy mahafeno fepetra, tsy tokony hilatsaka

Amin’ izao fahataperan’ny fotoam-piasan’ny masoivoho amerikanina Robert Yamate izao, dia nisy ny tombana fohy izay notanterahiny, indrindra mikasika ny raharaham-pirenena malagasy. Anisan’ny nitondra teny ohatra ny mikasika ny tokony hisian’ny filaminana eto amin’ ny tany sy ny firenena, satria izany no fototry ny fahafahana mandroso sy ny fanatanterahana ny fampandrosoana amin’ ny alalan’ ny fanajana ny demokrasia. Noho izany dia misy ny lalàna velona hoy Robert Yamate, izay tokony harahin’ny rehetra, mba ahafahana mitazona izay filaminam-bahoaka eto Madagasikara izay. Mikasika ny fifidianana indray kosa dia nambaran’ ity masoivoho Amerikanina teo aloha ity fa zava- dehibe ho an’ i Madagasikara ny fahavitan’ny fifidianana madio mangarahara ary eken’ ny rehetra, izay manaraka ny lalàna velona misy eto Madagasikara. Tsy tokony hisy intsony izany ny korontana taorian’ izay zava-nitranga maro teto Madagasikara izay, satry hoy izy tsy nitondra fampandrosoana ary nandetika an’i Madagasikara izany, ka tokony hotandrovan’ ny Malagasy rehetra. Mikasika ny fifidianana ho avy kosa indray dia mazava ny nambaran’ny masoivoho amerikanina teo aloha Robert Yamate, fa tokony hirotsaka avokoa ny rehetra, ary tsy hisy ny fanilikilihana saingy kosa misy ny lalàna velona izay tokony harahina dia ny lalàm-panorenana izany ka tokony hajaina. Noho izany ny fepetra izay voalazan’ny lalàm-panorenana dia tokony hajaina sy arahina satria izany no ahafahana mijery ny filaminana. Ireo izay tsy mahafeno ny fepetra noho izany, dia tsy afaka milatsaka velively ary voasazin’ny lalàna. Marihina moa fa ny faran’ny herinandro ho avy izao no handao an’i Madagasikara i Robert Yamate, eo ampiandrasana izay ho solony.

Iratra Raitra