21/11/2018

Rn7- Vatoavo : Manomboka ny fanamboarana ny fivilian-dalana

Hisokatra afaka iray volana ny fivilian-dalana izay atao ao Vatoavo, eny amin’ny lalam-pirenena Rn7, izay mampitohy an’i Fianarantsoa sy Ambalavao. Efa amperinasa tanteraka ny minisiteran’ny Asa vaventy ankehitriny, ary atao farak’izay haingana ny asa fanamboarana mba ahafahan’ny fiara rehetra mifamezivezy. Fantatra moa fa efa nisy ny fitrongisana ny tany any an-toerana, eo amin’ny Pk 454+10, 11 km tsy hidirana ao amin’ny tanànan’Ambalavao raha avy any avaratra, ka hianatsimo eny amin’ny Rn7. Araka ny fanazavana avy amin’ny minisitera tompon’andraikitra, izay tarihin’ny minisitra Razafimandimby Eric dia noho ny fikisahan’ny lalana sahabo eo amin’ny 1,35 metatra, izay nateraky ny fandalovan’ny rivodoza AVA farany teo no anton’ny fanamboarana. Hisy ihany koa ny “études” , izay hotanterahin’ny “laboratoire” LNTPB, izay rantsa-mangaikan’ity minisitera ity hatrany mba hitadiavana ny vahaolana maharitra, mba tsy hitohizan’izao fikisahan’ny tany izao intsony. Ankoatra izay, dia hisy ihany koa ny fanamboarana ny lakandrano manodidina ny lalana. Marihina kosa anefa fa mbola afaka mifamezivezy tsara eo amin’ilay lalana teo aloha ihany ny fiara rehetra amin’izao fotoana izao. Efa misy araka izany ny fanaraha- maso akaiky eny an-toerana ny amin’ny mety mbola hisian’ny fihotsahana tampoka.

Laurena Nany