16/11/2018

Rivodoza Dumazile : Filazana loko mavo ho an’i Madagasikara

Rehefa nahafeno ny fepetra rehetra dia ny sabotsy teo no nahazo anarana Dumazile ilay tangoron-drahona matevina narahi-maso akaiky tao amin’ny ranomasibe Indianina. Niha-nivoatra hatrany ny fandehany ka omaly tamin’ny 3 ora hariva dia tany amin’ny 150 km Atsimo Atsinanan’ny Toamasina ilay rivodoza Dumazile, araka ny fampahafantarana avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, ny alahady 4 martsa teo. Lasa “cyclone tropical” izy ka 120 km isan’ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 170 km isan’ora i Dumazile. Mikisaka mianatsimo somary Atsimo Andrefana izy omaly, amin’ny hafainganam-pandeha 15 km isan’ora. Ny andian-drahona miaraka aminy dia mitoetra amin’ny faritra maro amin’ny tapany Avaratra sy ny morontsiraka Atsinanana, ka mitondra rotsak’orana betsaka ary mety arahina tafiotra indraindray. Noho izany dia iangaviana ny faritra Diana, Sofia, Sava, Analanjirofo, Atsinanana, ny distrikan’i Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana ary Mahajanga mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana miloko Mavo. Ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka Atsinanana rehetra koa dia entanina mba tsy hiandriaka intsony, ary hanaraka tsara ny toromarika omen’ny tompon’andraikitry ny fifamoivoizana andranomasina.

Laurena Nany