19/07/2018

Rivodoza AVA : Hiditra any Toamasina rahampitso maraina

Lasa rivodoza matanjaka ilay andro ratsy niforona tao Atsinanan’Antalaha, omaly tamin’ny 9ora maraina ary nomena ny anarana hoe AVA. Araka ny vaovao farany avy tamin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, tokony ho tamin’ny 4ora hariva, omaly hatrany, dia tany amin’ny 365 Km Avaratra Atsinanan’ny Nosy Sainte Marie no misy an’i AVA. Manodidina ny 75 Km/ora ny rivotra entiny ary tafiotra 105 Km/ora. Araka ny vinavina dia mbola hitombo hery izy mialohan’ny hidirany an-tanety eo avaratr’i Toamasina rahampitso maraina 5 Janoary 2018. Noho izany, filazana miloko mavo na loza manambana ho an’ny distrikan’Antalaha, Mandritsara, ary ny faritra Analanjirofo, Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Filazana miloko maitso na loza fanairana kosa ho an’ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’Antalaha sy Toamasina, ka iangaviana tsy hiandriaka intsony manomboka androany 4 janoary 2018.

L.N