19/07/2018

Rivodoza AVA : Efa nahazo loza fanairana Analamanga

Miha matanjaka hatrany ny herin’ny rivodoza AVA. Tamin’ny 3ora tolakandro, omaly, tany amin’ny 220km Avaratra atsinanan’i Toamasina no nisy azy. Nitombo hery izy ka lasa 105 km isan’ora ny rivotra entiny, ary tafiotra 140 km isan’ora. Fantatra noho izany, fa androany maraina no miditra any Toamasina ity rivodoza ity fa mikisaka miakandrefana atsimo-andrefana amin’ny alalan’ny hafainganam-pandeha 12km isan’ora kosa ny lalany. Noho izany, loko mena na loza mitatao ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro. Filazana loko mavo na loza manambana kosa ny distrikan’Antalaha, Mandritsara, Andilamena, Tsaratanàna, Anjozorobe, Antananarivo Avaradrano, Arivonimamo, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I-II, ary Vatovavy Fitovinany. Filazana loko maitso na loza fanairana kosa ny distrikan’i Fandriana, Ambositra, Manandriana, Ambohimasoa, Isandra, Vohibato, Lalangina, Fianarantsoa tampon-tanàna, Ambalavao, faritra Atsimo Atsinanana, Anosy, Ivohibe, ary Iakora. Ho an’ny Toamasina izao, dia tsy nitsahatra nirotsaka ny orana avy andro maromaro, ary efa traboina tanteraka ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao, noho ny fisian’ny tondra-drano. Efa tsy mianatra ihany koa ireo mpianatra any an-toerana araka ny filazana nataon’ny Dren Atsinanana. Toraka izany ihany koa ny Dren Alaotra Mangoro sy Dren Sava, ho fitsinjovana ireo mpianatra. Araka ny vaovao voaray ihany koa, dia fantatra fa tapaka ny zotra Airmad mankany amin’ny tanànan’i Toamasina. Ho an’ny faritra Analanjirofo kosa, izay nahazo ny filazana loza mitatao dia efa nisy fametrahana ny saina mena. Ity faritra ity, izay fantatra fa efa niomana amin’ny fiatrehana ny andro ratsy nanomboka ny 1 janoary 2018. Omaly, noho izany, dia nisy ny fidinana nataon’ny lehiben’ity faritra ity Ramaroson Jacques nanentanana ireo vahoaka amin’ny fihetsika tokony hatao ho fiatrehana ny rivodoza. Nisy koa ny fanomezana solika mba tsy hisian’ny fahatapahan-jiro any an-toerana fa mba ahafahan’ny vahoaka manara-baovao tsy tapaka.

Laurena Nany