17/07/2018

Rivodoza : Ahiana hiditra an-tanety amin’ny alakamisy

Misy andro ratsy ahiana hivadika rivodoza afaka andro vitsivitsy hita avy amin’ny sarin’ny zanabolana ao amin’ny ranomasimbe indianina. Tamin’ny 9ora maraina, omaly, 2 janoary dia fantatra fa tany amin’ny 550km Atsinanan’ny Nosy Sainte Marie no misy azy. Araka ny vinavina dia hitombo hery izy ary ahiana hiditra an-tanety ny 4 na 5 janoary ho avy izao, any amin’ny morontsiraka Atsinanan’i Madagasikara, dia Analanjirofo. Araka izany, hiangaviana ireto faritra sy distrika manaraka ireto hiomana sahady amin’ny filazana loko maitso, Antalaha, Analanjirofo, Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Aoka hitandrina ihany koa ny mpampiasa ny ranomasina eo anelanelan’ Antalaha sy Toamasina amin’ny mety hisian’ny tafiotra anaty oram-baratra.

L.N