21/10/2018

Rhône- France : Dokotera Malagasy voarohirohy tamin’ny fanolanana

Lehilahy teratany Malagasy manodidina ny 40 taona, izay voalaza fa mpitsabo mpanampy amina toby fitaizana olona manana fahasembanana any Limas, ao Rhône , no voarohirohy ho nanolana vehivavy teratany vahiny 34 taona izay isan’ireo noraisiny an-tanana. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny franceinfo, dia ny alin’ny 21 septambra 2017 lasa teo , nandritran’ny fotoana niasany tao amin’io toby antsoina hoe “AGVIR” io no nisehoan’ity fanararaotana ara-nofo nataona lehilahy malagasy ary nihatra tamina vehivavy vahiny misy tsy fahatomombanana ara-tsaina ity. Nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa nasehoan’ilay niharan-doza, ny mpiasa nandimby an’io dokotera Malagasy io ny maraina ka nanadihady azy avy hatrany . Noho izy ireo efa mifankazatra sy mifanerasera matetika, dia tsy nihambahamba io teratany vahiny io nitantara ny herisetra ara-nofo nihatra taminy. Notondroiny avy hatrany ho tompon’antoka tamin’izany ihany koa io lehilahy Malagasy mpitsabo mpanampy io. Nampahafantarina ny zava-nitranga moa ny havan’io vehivavy manana fahasembanana io, izay nitory ny nahavanon-doza tsy nisy hatak’andro teny amin’ny polisy . Nentina namonjy dokotera tany Villefranche sy tany Lyon kosa ilay voaolana hahafahana nitsabo fa ihany koa manamporofo izay voalaza. Taorian’ny fanadihadiana natao azy moa, dia natolotra teo anatrehan’ny fampanoavana any Frantsa ity Malagasy nahavanon-doza ity ary nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana taorian’izay , miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Mialy R.