15/08/2018

Razaimamonjy Claudine : Mitovy amin’ny voafonja rehetra

Taorian’ny fampidirana an-dRazaimamonjy Claudine tetsy amin’ny fonjan’ Antanimora omaly tamin’ny 7 ora sy sasany, araka ny tapaky ny kaomity miandraikitra izany, nahitana ny tompon’andraikitry ny fitsarana , ny mpitsabo ny avy amin’ny ministeran’ny fahasalamana  dia indro fa efa naparitaka indray ny tsaho fa tsy ao an-toerana ity farany. Omaly  manoloana ireo tsaho miely etsy sy eroa ireo dia nitondra fanazavana ny lehiben’ny fonja etsy Antanimora ny kaomandà Rakotonandriana Olivier fa “tsy misy izany  ny toerana manokana ho an’i Claudine Razaimamonjy, ary mitovy  amin’ny voafonja rehetra ny tenany ao’’. Noho izany dia tsy mitombina velively ny resaka tiana hatavy sy fanaratsiana tian’ ireo mpanakorontana hatao, mazava izany ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny  fonja. Manoloana ny mety ho mbola fanaraha- maso ny fahasalaman’ity mpandraharaha ity indray kosa, dia nanazava ny lehiben’ny fonja fa tsy misy hatahorana izany  « misy ny  mpitsabo rehetra toy ny dokotera, ny infermiera sy ny sisa ato amin’ny fonja izay afaka manara- maso tsara ny fahasalaman’ny voafonja rehetra ».

Ankilany anefa dia re naneho hevitra manoloana ity raharaha ity ihany koa ny sendikàn’ny mpitsara androany, ary nilazan’izy ireo fa ankoatra an-dRazaimamonjy Claudine dia tokony hisy ihany koa ny fandraisan’ny Bianco andraikitra amin’ny fisamborana ireo naman’ ity farany.  Marihina anefa fa rafitra mahaleo tena ny bianco ary mahalala tsara ny asa izay hotanterahiny. Noho izany dia tokony hifanaja amin’ny fisarahan’ny asa  ny tsirairay, tahaka ny fitakiana izay tanterahin’ny sendikàn’ny mpitsara amin’ny tsy hitsabahan’iza na iza amin’ ny asa izay tanterahin’ izy ireo.

Iratra Raitra