22/05/2018

Rakotomanana Honoré : « TSY METY AMINTSIKA NY FEDERALISMA »

Olo-mangam-pirenena no efa zokiolona eo amin’ny fitantanana ny Firenena ny Filohan’ny Antenimieran-doholona, Rakotomanana  Honoré. Nisy ny dinika nifanaovana taminy mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’ity fiandohan’ny taona vaovao ity.

 

Hono

Tamin’ny fifampiarahabana nahatratrarana ny taona dia hitany fa kabary tsy kobaka am-bava fa tena nilaza ny tao am-pony sy ny fahamarinana ny Filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery. Nilaza ny zava-bita izy, ny zavatra tsy dia nankasitrahany ary ny zavatra tokony hahitsy. Sahiny ny nilaza fa misy ny mpamosavy malemy an-trano. “Midika izany fa tena atahorana io ary saika misy izany avokoa ny andrim-panjakana rehetra, na amin’ny minisitera. Ny fahavoazana aterak’izany dia manimba ny asa tokony atao satria manimba ny firaisan-kina, ny fanomezan-tanana ary mitory fihatsarambelatsihy raha izay mpamosavy malemy an-trano. Sanatrian’ny vava, mety hisy tsipy hoditr’akondro ary ny tena loza dia ho tonga hatramin’ny fanalana ny ain’olona satria samy nahalala tsara isika fa misy ny fanapoizinana eto Madagasikara. Olona raisina ho namana, na mpiray tampo izao ve satria olona miara-miasa ka iray vatsy iray aina izany, kanefa dia mivadika ho fahavalo. Fahasahiana no nitenenan’ny Filoha an’izany tranga izany. Na ny manodidina azy aza dia tokony hiova ny fomba fisainana sy ny toetra. Ny fahamarinana sy fahasahiana tahaka izany no ilaina eto Madagasikara”, hoy izy tamin’ny dinika savaranonando natao taminy.

 

Triatra (+) : Ahoana ny fahitanao ny zava-bita teto Madagasikara?

 

Rakotomanana Honoré (-):Mikasika ny zava-bita kosa dia tsy fanasohasohana fa tena tsapa ny zavatra maro vitan’ny Filoham-pirenena, sy ny asa soa vitan’ny vadiny. Tsy atao maso voatoto tany ireny. Ny tany Anjoma Betoho ohatra dia resy lahatra tanteraka ary nankasitraka fa tena efa migoka ny tombontsoa azo amin’ny zava-bita izy ireo. Misy ny mbola tsy vita saingy mandeha tsikelikely arakaraka ny vola eo am-pelatanana koa izany. Nahazo vola be isika ary mbola tsy nisy tahaka izany ihany koa tsy araka ny nampoizina. Voalaza foana moa hoe mbola fampanantenana iny azo tamin’ny mpamatsy vola iny fa tsy tonga dia ravim-bola  satria mbola mijery ny firosoan’ny asa tsikelikely izy ireo ary manara-maso ny fanajana ny zon’olombelona, ny fanjakana tan-dalàna, ny fitantanana mahomby, ny demokrasia izy ireo. Tsy hoe tsy misy akory ireo fa misy raha eto amintsika no jerena. Ny mpanaratsy tsy maintsy misy foana saingy efa fomba fiteniko ny hoe ny mpanenjika dia any aoriana foana fa tsy any aloha. Volamena latsaka am-bovoka anefa ny soa nataon’izy ireo ka tsy maintsy mamiratra rehefa tonga ny fotoana. Tsy maintsy ho hitan’ny vahoaka malagasy izany”.

(+): Inona no zavatra voamarikao amin’ny mpanohitra eto amintsika amin’izao fotoana izao?

(-): “Misy ny zava-bita fa haratsian’ny sasany. Io no mahatonga ny firaisamonim-pirenena mihazoazo. Nahoana no miteny an’izao ny any amin’ny fanjakana, nahoana no miteny an’iry ny aty amin’ny mpanohitra. Tsy ny mpanohitra rehetra anefa io fa ny fanoherana demokratika dia tena ilaina. Misy mpanohitra izay tena manao an’izany. Tena manao fanoherana demokratika izy ary tena mijery ny fanatsarana tokony atao. Tsy fanoherana botolo fa misy ny tena mpanohitra ara-demokratika. Olona iray ihany no manao an’izay eto amintsika. Tsy ho tononina ny anarany fa sao hialonan’ny olona izy. Io mpanohitra io dia tsy mbola nahitako teny ratsy mivoaka ny vavany. Ny mpanohitra sasany dia tena hita fa ompa sisa no tsy ataony amin’ny fanaratsiana ny mpitondra sy ny fanjakana. Tahaka ny  fanozonana mihitsy aza. Voararan’ny lalàna anefa izany ao amin’ny lalàna 2011-013 tamin’ny 9 Septambra 2011 momba ny zon’ny mpanohitra. Ny tiana ambara dia misy ny zava-bita saingy haratsian’ny sasany dia iny no mibahana amin’ny sain’ny olona. Tokony hiezaka ny hifanome tanana amin’ny filohan’ny Repoblika mivady, mifanome tanana amin’ny isika samy isika”.

(+): Misy ny mivoy ny resaka federalisma, inona no fanazavana azonao omena. Mety amintsika ve izany?

(-):Ny taona 1998 dia lehiben’ny Komity namolavola sy nanitsy ny Lalàm-panorenana ny tenako. Zavatra telo no notapahan’ny komity tamin’izany dia ny fitsinjaram-pahefana, ny Faritany mizaka tena, ny federalista. Tonga dia tsy nodinihana mihitsy ny federalista satria mbola tsy zakan’i Madagasikara izany. Raha izao aza isika mbola tsy misy an’izany federalisma izany efa mizarazara , ka raha misy an’izany ve tsy asa izay mahazo? Moa ve fantatrareo tsara ny dikan’izany federalisma izany? Ny dikan’izany dia fanjakana ao anatin’ny Fanjakana! Izany hoe sady manana ny Fitsarany manokana izy, manana ny fahefana mpanatanteraka manokana izy, manana ny fahefana mpanao lalàna manokana izy. Dia tena hoe Fanjakana anatin’ny Fanjakana fa tsy maintsy ao anatin’ny voafaritry ny Lalàm-panorenana kosa. Tena mbola osa ny fifankatiavantsika samy Malagasy ka raha izao isika no hiditra amin’izany dia hizarazara ity firenena ity. Izaho dia milaza am-pahatsorana fa tsy mankasitraka an’izany federalisma izany. Raha ohatra kosa ka averina ny fizakan-tenan’ny Faritany dia azo eritreretina ihany satria io dia mahazo ny anjara masoandrony tanteraka ny faritany. Ny Fitsinjaram-pahefana indrindra no mahatonga ny fanomezan-tsinin’ny olona dia hoe na dia eo aza ny lalàna na ny lalàm-panorenana dia mbola giazan’ny fanjakana foibe ny tokony mankany amin’ny faritra na distrika na kaomina. Ny fitsinjaram-pahefana na ny fizakan-tenan’ny faritany dia misy fahefana afindra ary rehefa afindra io dia afindra koa ny vola sy ny fitaovana mifanandrify amin’iny na olona izay hiasa amin’io. Amin’izao dia efa manomboka mandeha ny fitsinjaram-pahefana fa eo amin’ny fitaovana sy ny vola iasana no tsy ampy ary efa nilaza ny Praiminisitra ary nampanantena fa efa handeha io”.

Ny namaranany azy dia ny firariantsoa. “Aoka ity taona 2017 ity ho taom-pahombiazana ary aoka isika mba tena hiasa am-pahitsiana satria raha tsy izay dia mety ho voatsindron’ny tsiny”.

Notontosain’i Ny Aina Razaka