22/02/2018

Rajaonarimampianina- Rajoelina:SAMY HAFA TANTERAKA

Ny fananganana ireo hopitaly manara-penitra sy ny “coliseum” ve no tena laharam-pahamehana ho an’ny firenena ka nandaniana ny vola mitentina 1 800 miliara azo avy tamin’ny famarotana ny vy any Soalala?

Raha ny vola lany tamin’ny fananganana ireny hopitaly manara-penitra ireny no nentina nanatsarana sy nampitaovana ireo hopitaly efa misy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto an-drenivohitra fotsiny (HJRA, Befelatanana, HOMI) na ireo CSB II manerana ny Nosy, mety tsy nilaina intsony izany mandeha mitsabo tena any ivelany izany. Mamaly ny hetahetan’ny marary ve ireo hopitaly manara-penitra? Ny olana amin’ny fividianana fanafody noho ny tsy fisiam-bola no tena olan’ny marary, izany hoe, raha ny lafin’ny Fahasalamana no nosafidian’ny fitondrana HAT handaniana ny vola 1 800 miliara dia tokony ho izay lafiny miantraika mivantana amin’ny vahoaka izay no nomena vahana. Tsy nitondra tombony teo amin’ny tontolon’ny Fahasalamana mihitsy ny fananganana ireo hopitaly manara-penitra fa fomba nentina nanakonana ny halatra amina miliara nataon’ny mpitondra Tetezamita io vola be mitentina 1 800 miliara avy tamin’ny Wisco io. Marihana fa aman-jatony ireo CSB II nikatona nandritra ny Tetezamita, ireny CSB II ireny anefa no tobi-pahasalamana akaiky indrindra ireo vahoaka any ambanivohitra.

Tsy laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ihany koa ny fananganana ny “coliseum” izay nandaniana miliara maro. Fotodrafitrasa ahafahana mampitombo sy manatsara ny vokatra ahatongavana amin’izany hoe fahampian-tsakafo ary afaka manondrana vokatra any ivelany no antsoina hoe fampandrosoana (barazy, lakan-drano, sns); toraka izany koa ny fampitaovana ireo tantsaha (zezika, masomboly, traktera, sns) ary ny fampiofanana azy ireny.

Tampi-maso

Izay fomba fijery izay no maha samy hafa ny fitondrana HAT notarihan’i Andry Rajoelina sy ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina. Fotodrafitrasa tsy laharam-pahamehana manoloana ny fahantram-bahoaka no naha maika ny mpitondra Tetezamita nandritra ny dimy taona. Tampi-maso nanakonana fotsiny ihany ny fanodinkodinana sy ny fangalarana volam-bahoaka. Nihodinkodina teo amin’izany tampi-maso izay daholo ny hetsika rehetra nataon’ny HAT fa tsy nisy politika ho amin’ny tena Fampandrosoana ny firenena.

Fampandrosoana

Fametrahana fotodrafitrasa maharitra ahafahana manainga ny tontolon’ny fambolena ho amina sehatra avo kokoa ahatongavana amin’ny tanjon’ny fahampian-tsakafo sy ny fahafahana manondrana vokatra any ivelany kosa no nataon’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina laharam-pahamehana, raha tsy hiteny afa-tsy ny barazin’i Bevoay izay manondraka velarantany mirefy 5 000 Ha, tokony hamokatra vary hatrany amin’ny 60 000 T; ny lakan-drano goavana mirefy 74 Km any Ambarinakoho (Taheza), manondraka velarantany mirefy 13 400 Ha, sns. Azo heverina mihitsy ny ahafahan’i Madagasikara manondrana sakafo any ivelany raha izao lalana itondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny Fampandrosoana ny firenena izao no dinihana. Fantatra koa mantsy izao fa efa voaasa ny 75 Ha amin’ilay velarantany mirefy 400 Ha, nambaran’ny Filoha nandritra ny fanolorana ny “Vatsin’Ankohonana” tany Ambovombe fa vato fantsiky ny Fampandrosoana ny Faritra Atsimo. Hanomboka amin’ny volana Febroary 2017 izao ilay tetikasa. Tsy ny tontolon’ny fambolena fotsiny ihany anefa no nanompanan’ny Filoha ny ezaka ho Fampandrosoana ity Tanindrazana iombonana ity fa indrindra ny sehatry ny angovo, ny lalana, ny Fanabeazana, ny Fahasalamana, sns.

Fehiny, fitondrana roa samy hafa tsy azo anaovana fampitahana mihitsy ny fitondrana Tetezamita sy ny Repoblika faha-IV tarihin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Mifanipaka tanteraka ny tampi-maso nandrebirebena vahoaka sy ny fametrahana fotodrafitrasa fototra hiaingan’ny tena Fampandrosoana.