11/12/2017

Rajaonarimampianina Hery : Niampy indray ny laharam-boninahitra Honoris Causa

Notontosaina ny alin’ny faha-17 ny volana oktobra lasa teo, tao amin’ ny masoivohon’i Madagasikara tao Roma ny lanonana fanolorana ny laharam-boninahitra Honoris Causa amin’ny siansa politika  ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ny oniversiten’i Milan no nanolotra ny filoha ny diplaoma tamin’ny alalan’ny rektoran’ny oniversite, ny profesora Giovanni Neri. Miisa telo izany izao ny laharam-boninahitra Honoris Causa azon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nandritra izany lanonana izany ihany koa no nanatanterahana ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika Malagasy sy ny oniversiten’i Milan . Tanjon’ny fifanarahana ara-piaraha-miasa  dia ny  hametrahana oniversite mifandraika ny any Milan eto Madagasikara, izay  manana ny dingam-pampianarana mitovy amin’ny ‘’FOAD’’, na  ny fiofanana misokatra ampitain-davitra. Efa voavinavina ihany koa ny lafin’ny vatsim-pianarana ho an’ ireo mpianatra Malagasy, izay hanaraka ny fampianarana, ary mazava ho azy ny diplaoma ho azo amin’izany dia mitovy lanja amin’ny avoakan’ ny oniversiten’i Milan.

Nandritra ity dian’ny filoham-pirenena tany Roma ity ihany koa no nihaonan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ireo mpiasan’ny masoivoho, izay miasa any Italy. Niara-dalana hatramin’ izay ny fihaonana tamin’ ireo Malagasy, izay miasa sy monina any ivelany, izany hoe any Italy izay miisa 3 500. Ny fihaonana dia natao indrindra hanamafisana ny fampihavanana izay misy na dia misy aza ny fahalaviran-tany, hanisan’ny fotoana moa ity fihaonana ity nahafan’ny filoham-pirenena nampahafantatra hatrany izany atao hoe Madagasikara izany sy ny maha izy azy ihany koa nandritra ny andro ekonomika Madagasikara-Italy izay notanterahina omaly tatsy Roma .

 

Iratra Raitra