14/08/2018

Raharaha vola sandoka : Olona sivy hiakatra fampanoavana

Anio no atolotra eo anatrehan’ny fampanoavana ireo olona sivy, isan’ny tompon’antoka tamin’ny fanamboarana sy fanapariahana vola sandoka teto Antananarivo sy ny manodidina. Intelo miantoana ny fisamboaran’ny teo anivon’ny polisim-pirenena azy ireo. Teny By pass no nahatrarana ireo efa-dahy voalohany ny marainan’ny zoma 27 aprily lasa teo, ary nitohy tamin’ny fisamboarana telolahy hafa teny Ambatolampy izany ny harivan’io andro io ihany. Rehefa nandeha moa ny fanadihadiana azy fito lahy ireo, dia niampy roa ny voasamboatra ny alahady lasa teo. Tra-tehaka niaraka tamin’ireto olon-dratsy ireto ihany koa ny vola 60 tapitrisa Ariary niaraka tamin’ny fitaovana maro isan-karazany fanamboarana ireo vola iray alina hosoka marobe ireo.

Mialy R.