22/02/2018

Raharaha kidnapping : Roalahy nadoboka am-ponja

Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora avy hatrany ireo roalahy voalaza fa isan’ireo tompon’antoka tamin’ny raharaha fakana an-keriny ny karana, tompon’ny “Bijouterie” Kalidas etsy Andohanan’Analakely. Nahemotra tamin’io andro io ny fotoana nihenoana azy ireo teny amin’ny tribonaly Anosy, raha tokony nandeha ny zoma izany. Raha tsiahivina, dia notazomina nandritra ny efatra andro teny amin’ny sampandraharaha miady amin’ny raharaha kidnapping etsy amin’ny toby Ratsimandrava ireto farany , taorian’ny nampiakarana azy ireo teto Antananarivo tamin’ny alatsinainy heriny lasa teo. Efa nalaina am-bavany tany Toamasina moa izy roalahy ireo, saingy tsy vita tany an-toerana izany, ary izao nentina teto an-drenivohitra izao. Andrasana araka izany ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Mialy R.