24/04/2018

Raharaha kidnapping : Navotsitr’ireo mpaka an-keriny i John Raza

Navotsitr’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny alakamisy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany tany ho any, i John Raza, karana mpiasa ao amin’ny orinasa Ucodis, niharan’ny kidnapping teny amin’ny Cité Firaisana Ankorondrano, 23 andro lasa izay. Salama tsara ity karana ity izao tafaverina eo anivon’ny fianakaviany izao. Tsy nahazoam-baovao kosa ny vola notakian’ireo havany na ny mety ho takalon’izao famotsorana izao. Raha tsiahivina, dia tamin’ny alarobia 20 desambra ity lehilahy mizaka ny zom-pirenena frantsay ity no nisy naka an-keriny tamin’ny alalan’ny fiara Peugeot 405, izay efa voamarina fa nampiasa laharana hosoka. Raha ny fantatra ihany koa dia teo am-panomanana ny raharaham-panambadiany sy ny diany ho any ivelany izy, no nisy nisompatra. Tsy nisy tratra moa ireo jiolahy nanatanteraka izao asa ratsy izao.

Mialy R.