23/09/2018

Raharaha kidnapping : Jiolahy roa voasambotry ny polisy

Jiolahy ikoizana miisa roa fantatra amin’ny anarana hoe Gérard sy Gilbert no voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy tany amin’iny faritr’Ankazobe iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny asa ratsy maro samihafa izay efa naha-voarohirohy sy nidiran’izy roalahy ireo am-ponja, dia fantatra ihany koa fa tafiditra ao anatina fikambanan-jiolahy sy mpanao kidnapping miaraka amin’i Djaffar Younous sy ry pasitera ireto farany. Efa ela no nitadiavan’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy gaigilahy mpamerin-keloka ireto noho izay firaisana tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy tsy zoviana intsony amin’ny resaka fakana an-keriny sy ny fanafihan-jiolahy ireto. Rehefa nandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana, dia fantatra fa nihaodihaody tany amin’ny faritr’Ankazobe iny izy ireo izao nanaovan’ny polisy savahao sy hazalambo tany an-toerana izao. Isan’ny asa ratsy efa nanefan’i Gérard sy Gilbert sazy tany am-ponja ny famakiana ny banky BOA tany Toamasina ny taona 2012 sy ny banky BOA tany Manakara ny taona 2014. Efa nigadra teny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny resaka vonoan’olona ihany koa izy roalahy ireto. Rehefa nohalalinina moa ny mahakasika azy ireo, dia izao fantatra fa isan’ny mpiray petsapetsa tamin’i Djaffar Younous, raindahiny amin’ny resaka kidnapping niseho teto an-toerana nandritra ny taona maro nifanesy. Ity farany izay tsara tsindriana fa na dia efa manefa sazy an-terivozona mandra-pahafaty eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy aza, dia mbola manao ity asa ratsy ity amin’ny alalan’ny fifandraisana an-telefaonina amin’ireo tambazotrany maro izay miparitaka sy mihaodihaody any rehetra any. Raha ity taona 2018 ity manokana no resahina, dia efa nahitana trangana fakana an-keriny karana miisa enina izay nahalasibatra an’i Navage Veldjee teny Ampasampito ny 24 mey, an’i Rishi Chandarana ny 03 jona tany Andakana, an’i Nizar Pirbhay tany Toamasina ny 08 jona, an’i Moustafa Hiridjee tetsy Soavimasoandro ny 11 jona, an’i Hirdjee Jina Nassaraly tany Mahajanga ny 05 jolay, ary ny zoma 06 jolay farany teo izay nakana an-keriny ilay karana vavy Sabira Vasram teny Ivandry. Marihina fa efa votsotra teny am-pelatanan’ny jiolahy avokoa ireto mpandraharaha mizaka ny zom-pirenena frantsay ireto, saingy mbola ao anatin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo tena tompon’antoka tamin’izany ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Noho ny mbola tsy nahavitana tanteraka ny famotorana sy noho tsy fahafenoan’ny dosie mahakasika an’i Gérard sy Gilbert moa, dia nahemotra anio ny fanolorana ny raharaha teo anatrehan’ny fampanoavana.

Mialy R.