16/12/2018

Raharaha Hiary Rapanoelina : Hiakatra fitsarana anio

Hivoaka anio ny didim-pitsarana momba ilay raharaha “fifosana facebook”, izay niampangana an’i Hiary Rapanoelina sy ny vadiny. Efa nisintona ny fitoriana ireo artista sy ilay depiote niharan’izany fanaratsiana sy fanalam-baraka izany taorian’ny fanelanelanana nataon’ny “comité des sages” sy ny syndikan’ny artista.  Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia ny fitsarana no tompon’ny teny farany amin’ny hahazoan’izy mivady ireo fahafahana madiodio na tsia.