21/10/2018

Raharaha FTAR sy Hotel Sakamanga : Hiakatra fitsarana amin’ny septambra

Ny alakamisy 9 aogositra teo no niakatra Fampanoavana tetsy Anosy ny raharaha nampifanolana ny Taxi Antananarivo Renivohitra (FTAR) sy ilay mpandraharaha vahiny tompona hotel Sakamanga, eny Antsahavola. Ny Ftar moa no nitory ilay mpandraharaha vahiny noho ny teny fanambaniana ireo Taxi miantsona manoloana ny toeram-pivarotan’ilay tompona hotel ity. Nisy araka izany ny fihainoan’ny Tonia mpampanoa lalàna ny andaniny sy ny ankilany. Rehefa avy nohenoina izy ireo dia nanapa-kevitra ny hanome fampitandremana ilay notorian’ ny Fampanoavana. Nanapa-kevitra ihany koa fa hampakatra Fitsarana ny raharaha amin’ny 12 septambra ho avy izao. Raha tsiahivina, dia ny 27 jolay lasa teo no nanomboka ny disadisa teo amin’ny roa tonta taorian’ny teny mahery, teny fanambaniana, teny tsy voahevitra, ary ireo hetraketraka nihatra tamin’ireo Taxi vokatry ny ady parking teo amin’ny roa tonta.

L.N