22/02/2018

Raharaha fanondranana volamena : Mpiasan’ny Air Madagascar maromaro mbola ho alaina am-bavany

Mbola tsy vita, ary mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko izay maha-voarohirohy sy hikarohana fatratra an’i Baritsialonina Andrifanantenana Alisoa, izay “steward” teo anivon’ny orinasam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar. Efa betsaka ireo mpiara-miasa taminy nalaina am-bavany mahakasika ity raharaha ity, saingy mbola hisy maromaro handefasana taratasy fiantsoana sy hiatrika famotorana amin’io herinandro ho avy io, araka ny loharanom-baovao. Mbola tsy nahitana irika na nandrenesam-baovao kosa ny toerana ieren’ity lehilahy ity amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny fikasana hanondrana volamena 10 kilao, tamin’ny 29 novambra 2017 lasa teo, dia voalaza ihany koa fa efa nanomboka ny taona 2015 ity “steward” ity no efa nanao io asa maloto io, saingy izao vao fantatra. Tsy ho afa-bela noho izay zava-bitany izay noho izany i Alisoa, izay mbola manao fangalam-piery amin’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Amin’ny trangana fanondranana harem-pirenena toa ny volamena sy ny sokatra, na ihany koa ny fanondranana “héroïne” sy “cocaïne”, dia misy foana ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpiasa eo anivon’ny seranam-piaramanidina eny Ivato, na dia hatao aza hoe misy ny tsy fahampian’ny fitaovana fitarafana ahafahana mitsirika izany. Sarotra ho an’ny olon-tsotra tokoa ny hamoaka volamena an-tsokosoko eto an-toerana, fa tsy maintsy misy hatrany ny firaisana petsapetsa amin’ireo mpiasa. Ny an’ity lehilahy ity aza moa, dia izy mihitsy no ao ambadik’izany. Raha ny fantatra ihany koa, dia mpanondrana ihany i Alisoa fa tsy tompon’entana. Miankina amin’ny fahatrarana azy noho izany ny ahafantarana ny mpamatsy ireo volamena sy ny olona mpandray izany any ivelany.

Mialy R.