24/06/2018

Raharaha Augustin:RIRININ-DASA TSY TSAROANA

Mahay manazava izao karazana antoko sy andininy amin’ny paikady mifehy ny fehezan-dalàna famaizana, mahay mikitikitika ny fihetseham-pon’ny olona rehetra izao momba ny raharaha Augustin Andriamananoro mihitsy ireo mpanao gazety mitambatra ao amin’ny MLE sy ny “miara-manonja” saingy manadino ny zava-nanjo azy nandritra ny fitondran-dRajoelina, voatery nisitri-belona tany amin’ny ambasadin’ny Afrika Atsimo amam-bolana maro.

Vono sy fandrobana

Tsy nisy fisamborana na dia iray aza tsy niharo vono sy fampiasana herisetra nandritra iny Tetezamita iny ary maro ireo nitondra takaitra mandra-pahafatiny vokatr’izany. Niharo fandrobana daholo koa ny fisavana trano (perquisition) nandritra iny fitondrana HAT iny, vola sy fitaovana hatramin’ny kilalaon-jaza norobain’ireo herim-pamoretan’ny fitondrana tamin’izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny nanjo an-Ravonison Ambroise, ny jeneraly Raoelina, ny kolonely Charles Randrianasoavina, ireo manamboninahitra niaraka tamin’i Manandafy sy ny minisitra Ihanta Andriamandranto tao amin’ny Carlton, Ralitera tao amin’ny HCC, ny kandidà Laza Razafiarison, ny ben’ny tanàna Ralaiseheno Guy Maxime, ireo senatera sy depiote TIM, olon-tsotra, ny mpiasan’ny radio Fahazavana, ny pastora Lala Rasendrahasina, sns.

Nisy nandefa tamin’ny facebook tamin’ny antsipirihany ny fizotran’ny fisamborana an’i Augustin Andriamananoro teny Itaosy. Milaza miara-mahita angamba ny rehetra fa tsy nisy fikasihan-tanana na fampiasana herisetra na koa fandrobana nandritra izany, tsy tahaka ny fomba amam-panaon’izy ireo fony teo amin’ny fitondrana Tetezamita. Mbola nomen’ireo mpitandro ny filaminana zo hiteny tamin’ny mpanao gazety, nanao kabary politika, niantso vahoaka, sns.

Avy nandevina

Voizin’ny hainoamanjery mpomba ireto mpanongam-panjakana ireto mafy ny hoe teny an-tokontanim-pasana no nisamborana an’i Augustin Andriamananoro, izany hoe efa avy nahavita ny adidiny. Adinon’izy ireo angamba ny nanjo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay tsy afaka nanatrika ny fandevenana ny rafozany ary ireo hainoamanjery mitabataba mafy amin’izao fotoana ireo indrindra no anisan’ny nanohana ny fanapahan-kevitry ny HAT tamin’izany fotoana. Izay ilay antsoin’ny Malagasy hoe « ririnin-dasa tsy tsaroana ! ».