15/12/2018

Rahanesy Firiana : “NY DINA TSY FITSARANA”

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna izay ataon’ny olom-pirenena tato ho ato. Iray amin’ireny ny resaka fitsaram-bahoaka izay efa tena mampivarahontsana ny fahitana azy. Antony maromaro no mety mahatonga an’io fitsaram-bahoaka io raha ny fanazavana nomen’ny mpahay lalàna, Rahanesy Firiana. Telo amin’io ihany no andeha avoitra. Voalohany amin’ireny dia ny tsy fahatokisana ny rafitra misy. Ao anatin’io ny rafitra Fitsarana, ny fitandroana ny filaminana, ny tompon’andraiki-panjakana hafa. Ny faharoa dia ny toe-tsain’ny olona mihitsy sy ny fiainana ara-tsosialy mifangaro ao anatiny no mahatonga ny fitsaram-bahoaka. Izany hoe tsy matoky ilay rafitra ny olona dia lasa miala vonkona any amin’ny olona manao ratsy, izany hoe “frustration” raha atao amin’ny teny baiko.

Olana amin’ny lalàna

Ny fahatelo dia ny lafin’ny lalàna. Amin’ny maha mpahay lalàna aza dia hitany fa ny lalàna sasany eto amintsika dia tsy mifanaraka intsony amin’ny hetahetan’ny vahoaka, tsy mifanaraka amin’ny toetrandro, tsy mifanaraka amin’ny zavatra tian’ny vahoaka ny zavatra voasoratra ao anatin’ny lalàna. “Ny antony dia satria vitsy amin’ny olona manoratra lalàna no mijery ny fomba na ny toe-tsain’ny vahoaka rehefa manoratra lalàna. Ny ankamaroany dia maka ny toe-tsaina tandrefana, nianarana tany am-pianarana, ary tonga dia adika any anatin’ny lalàna avy eo. Nisy ny mahavita mihitsy hoe lalàna avy any ivelany no tonga dia adika sy avadika amin’ny teny malagasy dia ampiharina eto Madagasikara dia asaina lanian’ny parlemanta”. Ireo no anisany mety goavana ao anatin’io fa mety misy antony maro be izay mety azo anaovana fikaonandoha manokana ho fijerena vahaolana.

Misy vahaolana

Ho azy ny fitsaram-bahoaka dia misy ny vahaolana azo atao satria ao anatina firenena iray, fiarahamonina iray dia misy fandaminana azo atao foana, araka ny fanazavany ihany. Izay vahaolana izay anefa tsy azo raha tsy ao anatin’ny fifampiresahana sy anatin’ny fandraisana andraikitra, sy fifampitokisana. Rehefa mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitsarana, sy ny mpitandro ny filaminana, ny vahoaka sy ny mpitondra ary mifanaja ny manam-pahefana rehetra sy ny vahoaka dia miverina matoky ny rafitra rehetra ny vahoaka ary miala ho azy ny fitsaram-bahoaka.

Tsy hamonoana olona

Mahakasika ny fampiharana ny Dina dia nambarany fa “tsy fitsarana mihitsy ny Dina fa natao ho fitsipika entina handaminana fiarahamonina. Ny Dina tsirairay amin’izao vanim-potoana izao dia efa napetraky ny lalàna hoe tsy maintsy ankatoavin’ny fitsarana mba hifanaraka amin’ny lalàna velona eto amin’ny firenena. Noho izany ny Dina rehetra izay nankatoavin’ny fitsarana dia tsy misy fahafahana mamono olona na dia iray aza. Raha ohatra ka ao anatin’ny fampiharana ny Dina no misy famonoana olona ao anatin’ny fitsaram-bahoaka, dia tsy Dina no filaza izany fa efa fitsaram-bahoaka ka tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny lehiben’ny Dina sy ny olona tsirairay nandray anjara tamin’ny famonoana ilay olona”.

Sazy asa an-terivozona

Ny fitsaram-bahoaka rehefa mivoaka amin’ny gazety sy ny haino aman-jery dia matetika nisy faty olona. Tsy izay ihany anefa no fitsaram-bahoaka misy fa rehefa manao endrika fitsarana ivelan’ny rafi-pitsarana dia efa azo lazaina fa fitsaram-bahoaka izay ary tsy ara-dalàna izay. Ny sazy mifanaraka amin’izay dia miankina amin’ilay hoe inona heloka vita tao anatin’ilay fitsaram-bahoaka. Raha toa ka any amin’ilay hoe tsy nisy famonoan’olona fa nisy ratra niniana natao ohatra no tranga niseho dia sazy amam-bolana no mety ho azon’ilay olona. Fa raha ohatra kosa ka tonga any amin’ny resaka famonoan’olona ka nisy fiomanana mialoha ka niala hatramin’ny ainy dia mety ho tonga hatramin’ny asa an-terivozona ny sazin’ilay olona. Iny dia miankina amin’ny tranga miseho no handinihan’ny fitsarana hoe inona no sazy mifanaraka amin’iny heloka iny.

Tsy ampy ny fanabeazana

Momba ny fanabeazana olom-pirenena dia hita fa somary latsaka koa ny eny anivon’ny fiarahamonina indrindra ao anatin’ny fitondran-tena sy lafin’ny fahalalana misy eto amin’ny firenena na koa hoe inona no tokony atao sy ny tsy tokony atao. Tafiditra ao anatin’io daholo ny fandraisan’andraikitry ny rehetra fa tsy tokony ifanilihana amin’izatsy na izaroa. Miainga any anatin’ny tokantrano izany, ny fiarahamonim-pirenena, ny fanjakana amin’ny ankapobeny izany hoe ny rafitra any anatin’ny fiarahamonina sy ny firenena no mila miaraka mandray andraikitra raha tiana ho fongotra haingana ny fitsaram-bahoaka.

Mila fandraisan’andraikitra

Tsisy ifandraisana amin’ny finoana sy fombafomba ve ity. Ny fitsaram-bahoaka anie dia miainga amin’ny tranga tsy eken’ny fiarahamonina. Ohatra hoe misy ny mangalatra lavanila dia iharan’ny fitsaram-bahoaka, ohatra fanolanan-jaza dia iharan’ny fitsaram-bahoaka, misy ny fangalarana vary dia iharany. Ny fitsaram-bahoaka dia ao anatina hetsiky ny vahoaka miainga amin’ny fientanam-po dia mipoitra ho azy. Ny fitsaram-bahoaka dia tsy ilay fikaonandoha no famahana azy fa mba hahafahana mametraka vahaolana maharitra tsy hiverenany intsony. Ny hahafahana manala ny fitsaram-bahoaka avy hatrany dia ny fandraisan’andraikitry ny rehetra izany hoe rehefa ny olom-pirenena tsirairay na ny tompon’andraikitra tsirairay no manatanteraka antsakany sy andavany ny asany araka ny fitsipika tokony hanatanterahany ny asany sy ny fiainany dia afaka ny fitsaram-bahoaka. Ny tranga mahatonga ny fitsaram-bahoaka amin’izao dia fitambatambarana zavatra be dia be tsy ankasitrahan’ny olona maromaro anatin’ny fiarahamonina no tafavondrona tampoka noho ny hoe tranga iray dia miteraka ilay fitsaram-bahoaka. Ireo no santionan’ny dinika nifanaovana tamin’ity mpahay lalàna mbola tanora vao erotrerony ity.

Ny Aina Razaka