18/02/2018

Profesora Zafy Albet : Nodimandry ny rain’ny demokrasia

Omaly tamin’ ny 11 ora antoandro teo ho eo, tao amin’ ny hopitaly St pierre La Réunion, no nindaosin’ny fahafatesana ny profesora Zafy Albert, teo amin’ny faha sivifolo taonany , izay filoham-pirenena malagasy   teo aloha. Andro telo teo ho eo no nitsaboana azy taorian’ny fiakaran’ny tosi-dra tampoka tao amin’ny trano fonenany ny faha-11n’ ny volana lasa teo, efa nisy ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny profesora , taorian’ny fitrangan’ny aretina, ka nitondrana azy tetsy Befelatanana sy ny hopitaly tsy miankina iray etsy Ilafy, ary tany amin’ny nosy La Réunion, kanjo izao tsy tana izao intsony ny ainy. Efa samy nandray ny andraikitra izay tandrify azy rahateo ny rehetra sy ireo tompon’andraikitra isan-karazany tamin’ny fikarakarana azy, tamin’ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana, ary anisan’izany ny fitondram-panjakana malagasy, izay niantoka iray manontolo ny fitsaboana sy ny fandefasana azy nitsabo  tena tatsy amin’ny nosy La Réunion tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana .

Filamatra, ary azo alain-tahaka tsara ny toetra izay nasehon’ ny porfesora Zafy Albert, raha samy mpanao politika no jerena. Ny antony dia taorian’ny nialany teo amin’ny toeran’ny maha filoha azy tamin’ny alalan’ny tsangan-tanan’ireo solombavambahoaka, dia tsy mba niteny ny profesora, ary  nipetraka sy nangina. Izany hoe tsy mitovy amin’ireo mpanao politika sasany ankehitriny, izay rehefa tsy eo amin’ny fitondrana dia mivovo sy mitabataba. Tsiahivina fa alohan’ny naha filoham-pirenena azy, dia efa minisitra ihany koa ny tenany nandritra ny fitondran’i Gabriel Ramanantsoa, izay naha minisitry Fahasalam-bahoaka sy ny raharaha sosialy azy. Mpandidy fo ihany ko ny profesora Zafy, ary anisan’ ny sangany izy amin’ izany, tany Paris izy no nianatra, ary nampianatra tao amin’ny fakiolten’ny fahasalamana .Ankoatra ny diplaoma izay hananany eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, dia fantatra ihany koa fa manana lisansa amina matematika sy fizika ny profesora Zafy Albert.

Eo amin’ny lafiny politika dia filohan’ ny hery velona taorian’ny filankevi-pirenena, izay notarihin’ ny FFKM ny volana desambra 1990 ny profesora Zafy Albert, ary mpitari-tolon’ny hery velona ny taona 1991. Lasa filohan’ny « Haute Autorité de l’état » ny tenany taorian’ny hetsika aogositra 1991 , araka ny fifanarahan’ny Panorama ny 31 oktobra 1991. Taorian’izay dia nirosoana ny fifidianana ka anisan’ny nifanandrina taminy tamin’ izany ny Amiraly Didier Ratsiraka , ary taorian’ny fihodinana faharoa no nahalany azy ho filoham-pirenen’ ny repoblika fahatelo ny martsa 1993. Ny taona 1996 kosa no tratry ny empêchement ny profesora Zafy Albert, ary taorian’izay dia nihanona tamin’ny fahanginana ny tenany. Marihina moa fa rahampitso hariva no ho tonga eto Madagasikara ny  nofo mangatsiakan’ ny profesora Zafy Albert , izay ny fiaramanidina  mitondra ny laharana malagasy no mitondra azy miverina. Izahay eto amin’ny vondrona RLM communication, izay misy ny gazety TRIATRA dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny Malagasy iray manontolo amin’izao fodiamandrin’ ny ray aman-dreny Zafy Albert izao.

 

Iratra Raitra

Hisy ny fisaonam-pirenena

“ Lavo ny andrarezina, ary amin’ny alalan’ny Fitondram-panjakana, ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny Malagasy tsy an-kanavaka, ny Governemanta sy amin’ny alalan’ny tenako manokana no hitondrana eto ny teny fampiononana sy fampaherezana ny fianakaviana izay nilaozan’ny Ray aman-drenintsika” io no teny fampiononana, izay nataon’ ny praiminisitra lehiben’ny governemanta androany , taorian’ny fodiamandrin’ny profesora Zafy Albert. “Lavo tokoa ny andrarezina kanefa ny asa sy ny fitiavan-tanindrazana nananany dia hitoetra mandrakariva ao am-pon’ny malagasy tsirairay avy. Ny faniriana dia ny hananantsika ny fahatsiarovana ny Filoha teo aloha, ny Profesora Zafy Albert izay nampiseho hatrany ny fitiavan-tanindrazana tamin’ny fahavelony, ary tsy hanadinoantsika azy mandrakizay ao am-pontsika tsirairay avy” hoy hatrany i Mahafaly Solonandrasana Olivier praiminisitra lehiben’ ny governemanta .

Amin’ny maha ray aman-dreny ny firenena ny profesora Zafy Albert, dia manomboka rahampitso dia efa hisy ny fanehoana ny fiaraha-miory miaraka eo anivon’ny firenena, ka noho izany dia ampidinina eo amin’ny antsasany avokoa ny sainam-pirenena. Ankoatra ny fandraisana an-tanana ny fisaonana rehetra ny profesora zafy albert moa dia mbola raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana tanteraka ihany koa ny fikarakarana rehetra mandra-pahatongavany any amin’ny fasan-drazana. Hisy noho izany ny fanomezam-boninahitra amin’ny fomba manokana amin’ny maha Filoham-pirenena teo aloha azy, izay atao eny am-pahatongavana eny amin’ny seranam-piaramanidina . Ho salorana aminy ihany koa ny medaly naha Filoham-pirenena azy teo aloha.

Fandaharam-potoana

Vao tonga ny razana ho amin’ ny rahampitso hariva dia omena voninahitra ao amin’ny “grand salon d’honneur” eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Entina mankany amin’ny villa La Franchise ny vata-mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Profesora Zafy Albert. Amin’io fotoana io dia tsy misy famangiana ao an-tranony afa-tsy ny olona tena akaiky ny fianakaviana sy izay ao anatin’izany ny solontenan’ny andrim-panjakana. Hapetraka ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny razana manomboka ny alahady 15 oktobra 2017, ka hisy ny famangiana izay ataon’ny malagasy rehetra. Marihina etoana fa tsy mijanona maharitra ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny mpamangy noho ny zava-misy eto amintsika. Hisy ny fotoam-pivavahana firaisam-pinoana, izay tarihin’ny FFKM ny alatsinainy 16 oktobra 2017.  Aorian’ny fotoam-pivavahana dia mitodi-doha mankany amin’ny faritra Avaratry ny nosy, any Betsiaka Ambilobe, ny vata mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha, ny Profesora Zafy Albert. Ny fisaonana amin’ny alalan’ny fampidinana ny sainam-pirenena eo amin’ny antsasany dia atao hatramin’ny fotoana izay hanitrihana ny razana. Amin’ny andro Handevenana azy? dia hisy ny fisaonana nasionaly. Noho izany dia mihatra avokoa ireo fombafomba rehetra anehoana ny fisaonana toa ny fanakatonana ny toerana fisotroana zava-pisotro misy alikaola, ny fanajanonana ireo lanonana maro samihafa, ny fandefasana mozika mafy.

 

Iratra Raitra