11/12/2017

Princesse Royale Anne Elisabeth Alice Louise : Nitsidika ny « cimetière de guerre britannique » tao Antsiranana

Isan’ireo toerana notsidihin’ny « Princesse Royale » Anne Elisabeth Alice Louise sy ny vadiny ny

« cimetière de guerre Britannique » ao Antsiranana. Omaly no nitodi-doha tany an-toerana izy ireo. Tafiditra indrindra amin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-200 taona nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena Britanika sy ny firenena malagasy, izao fitsidihana izao. Nanatrika ity fotoana ity koa ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Tsara ny manamarika fa ao Antsiranana ihany no misy ny fasan’ireo britanika mahery fo, maty noho ny ady lehibe, izay napetraka ao amin’io fasana io. Miisa 315 izy ireo no milevina ao.