17/10/2018

Praiminisitry ny marimaritra iraisana : Hanatanteraka famindram-pahefana anio

Hanomboka anio izany ny fanombohan’ ny asan’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Christian Ntsay sy Olivier Mahafaly Solonandrasana izay praiministra teo aloha. Raha ny fantatra dia amin’ ny sivy ora no voatondro hanatanterahana izany eny amin’ ny lapam-panjakana eny amin’ ny primatiora. Ho fantatra manomboka amin’io andron’ny anio io izany ny tena hevitra sy paikady hoentin’ ny praiminisitra vaovao amin’ny fitantanana ny governemantany. Ankoatra ny fampandehanana ny raharaham-pirenena izay fantatra fa hanany traikefa, dia ho fantatra mandritra ity famindram-pahefana ity ihany koa ny paika ho entiny ahafahana manomana ny fifidianana. Ny paika sy ny stratejia alohan’ny fifidianana tokoa mantsy no antoka ahavitan’izany araka ny tokony ho izy, anisan’izany ohatra ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ ny tany sy ny firenena. Tsy vitan’izay ihany fa eo ihany koa ny andraikitry ny governemanta tsirairay izay hotarihiny.

Iratra Raitra