19/06/2018

Polisy misahana ny sisin-tany : “Tsy mpamono olona izahay”

Hentitra dia hentitra ny kaomisera divizionera Liberia Ruffin manoloana ny fiampangana azy ireo ho tafiditra anatin’ny fampandehanana an’i Razaimamonjy Claudine hitsabo tena any ivelany. Ho azy ireo, rehefa mazava ny taratasy, izay miisa telo teo am-pelatanany dia nanaraka izany araka ny tokony ho izy ny polisy misahana ny sisin-tany. Voalohany amin’izany taratasy izany ny avy amin’ny kaompania tsy miankina hitondra ny marary, manaraka ny antondia dia ny fitsaboana tena ary ny momban’ny olona izay andeha, izany hoe pasipaoro sy taratasy ahafahany mivoaka an’i Madagasikara. Noho ireo antontan-taratasy ireo dia nilaza ny kaomisera lehiben’ny fiandrasana ny sisin-tanin’i Madagasikara fa tsy mpamono olona izy ireo. Araka izany dia mahafantatra lalàna tsara ny polisim-pirenena ka manoloana ny aretina dia tsy maintsy mandray ny andraikiny, feno rahateo ny fepetra. Azo enjehina tsara ny polisin’ny sisin-tany amin’ny tranga tahaka izao hoy ny kaomisera Liberia ruffin raha tsy namela ilay marary andeha hitsabo tena. Iray amin’ny fanenjehana ny voalaza ao anatin’ny lalàna famaizana dia ny tsy fandraisana andraikitra manoloana olona iray mila fitsaboana. Nanamafy ny efa nambaran’ny Tonia mpampanoa lalàna ihany koa omaly ny Kaomisera Liberia Ruffin fa nanaraka an’i Claudine Razaimamonjy nitsabo tena any ivelany ny mpiambina fonja iray, izay manana taratasy mazava. Nandritra ny fanazavana ihany koa no mbola nahafantarana fa voarakitra mazava ao anatin’ny taratasy nialan’izy ireo teto Madagasikara, ny fotoam-piverenany. Noho izany tsy misy ny antony tsy namelana azy ireo andeha hoy ny lehiben’ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany. Omaly aza raha ny fanazavana azo dia mbola nisy ny mpiambina fonja iray nihazo nanampy ny fiambenana an’ i Razaimamonjy Claudine.

Iratra Raitra