20/07/2018

Orinasa Jirama – Symbion Power : Miampy 40 MW ny famatsiana herinaratra

Mazava. Mitombo 40 MW ny famatsiana herinaratra ho an’Antananarivo Renivohitra. Notonkanana, omaly, teny amin’ny foibem-pamokarana herinaratra, teny Mandroseza, mantsy ireo milina nohavaozina eo anivon’ny ivo-toeram-pamokarana Symbion Power. Nitokana ity ivo-toeram-pamokarana nohavaozina ity ny Filohan’ny Repoblika ary nontronin’ny  praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ary ireo olo-manan-kaja maro.

Raha ny voalaza mantsy, ny taona 2008 no nametrahana ireo milina efatra ireo ka ny orinasa Jirama no nitantana izany. Tsy nisy fikarakarana, noho izany ireo milina ka nisy fahasimbana ary tsy namokatra afa-tsy 2 MW, ny taona 2015. Noho izay indrindra, niteraka fatiantoka goavana ho an’ny orinasa Jirama tamin’ny famatsiana herinaratra izany, indrindra teo amin’ny fotoan’ny main-tany.

Noho ny fisian’ny fifampiresahana, noraisin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny fitondram-panjakana an-tanana ny fanarenana ireo milina ireo ka nankinina tamin’ny orinasa Symbion Power izany. Ankehitriny, tontosa soa aman-tsara ny fanarenana ity fotodrafitrasa famokarana herinaratra ity.

Araka izany, milina miisa efatra mitondra ny marika Wartsila ary mamokatra herinaratra 10 MW tsirairay avy izy ireo ka manome 40 MW izany ho an’ny famatsiana an’Antananarivo. Mampiavaka an’ity fotodrafitrasa ity ihany koa ny fampiasana menaka mavesatra na ilay antsoina amin’ny teny vahiny “fuel lourd”. Raha ny fanazavana, ny orinasa Jirama no mamatsy ny menaka mavesatra mampihodina ireo milina miisa efatra ireo.

Nambaran’ny minisitry ny Angovo, Lantoniaina Rasoloelison, fa efa nisy ny tolobidy mahakasika ny famatsiana solika ho an’ny orinasa Jirama ka ny orinasa Jovenna no nahazo ny famatsiana ny menaka mavesatra raha ny Galana kosa no nahazo ny famatsiana gazoala.

Ankoatra izay, mbola hisy ihany koa ny fitokanana ny fotodrafitrasa mpamokatra herinaratra eny Ambohimanambola afaka herinandro vitsivitsy. Marihina fa hamokatra herinaratra hatrany amin’ny 180 MW eo ho eo izany.

Noho izany indrindra, nambaran’ny minisitra Lantoniaina Rasoloelison fa tsy hisy intsony izany delestazy izany ho an’Antananarivo.

 

MN