20/09/2018

Opération « Mandio » : Zandary 5 naratra

Vela-pandriky ny dahalo. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ireo dahalo maro tany Vatolava, kaomina Isorana ao Matsiatra ambony ny marainan’ny alakamisy 13 septambra, tokony ho tamin’ny 06h30. Zandary dimy no naratra mafy vokatr’izany. Araka ny nambaran’ny zandarimariam-pirenena dia naharay vaovao izy ireo fa ao amin’io toerana voalaza etsy ambony io no fitobian’ny andian-dahalo sy fitondrana ireo omby halatra ary fanadiovan’izy ireo izany alohan’ny hivarotany azy eny an-tsena. Avy hatrany dia tonga mivantana teny an-toerana io maraina io ny zandarin’i Fianarantsoa, nanampy azy ny mpitandro filaminana avy any sakaraha. Raikitra ny fifampitifirana ka naharatrana zandary 5, ary naharitra ora roa tany ho any ny fifandonana, ka vaky nandositra tamin’izany ireo andian-dahalo niaraka tamin’ny omby. Iray tamin’ ireo zandary tena voa mafy no voatery nalefa notsaboina haingana ao amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa, izay notaterina tamin’ny angidimby io andro io ihany. Niezaka nanova ny paikadiny ireo zandary ary mbola afaka nanohy ny hetsika na teo aza ny fahavoazana. Tsy nihemotra fa nitohy ny hetsika raha ny fanazavana nentin’ny zandarimariam-pirenena, ka nanaovana savahao ny ala taorian’ny nahalasan’ireo olon-dratsy. Nandositra niaraka tamin’ny omby manodidina ny 150 mantsy izy ireo, ary mbola eo am-panaovana ny fanarahan-dia azy ireo ny zandary mampiasa angidimby.

Valérie R.