19/11/2018

« Opération kidnapping » : Roa no maty…

Abdoul Aziz Mansour, Sabera Vasram, Firoze Nourbhay, Pradeep Chandarana, sns. Tsy nisy fitsaharana ny fakana an-keriny teratany karana teto an-drenivohitra ary amina miliara hatrany ny vola voalaza fa notakian’ireo jiolahy…

Araka ny efa nambara teto amin’ny gazety Triatra ny faha-7 aogositra lasa teo dia hifanome tanana handrava ity tambazotra mpanao kidnapping ity ny zandarimaria malagasy sy frantsay, araka ny fitsidihana nataon’ny Bertrand Thouvenot ny jeneraly Randriamanarina Jean Christophe (SEG). Tsy nisy fitsaharany tokoa mantsy ity fakana an-keriny teratany karana mizaka zom-pirenena frantsay ity tato anatin’ny volana maromaro. Mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toa ny Kalachnikov mihitsy ireo jiolahy, ary mampiasa fiarakodia tsara tarehy sy moto matanjaka amin’izany asa ratsy izany.

Fantatra araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana omaly hariva àry fa nisy fifanenjehana niharo fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana ary ireo mpaka an-keriny nanomboka teny Andraharo. Nifarana teo Ambodivonikely Ambohimanarina izany ka maty lavon’ny bala ny roa tamin’ireo voatondro ho mpanao kidnapping, iray hafa kosa voasambo-belona ary fiarakodia marika KIA no potiky ny bala nandritra izany. Nahatratrarana basy mahery vaika tany amin’ireto telolahy ireto araka ny fanampim-baovao, ary efa nentina eny amin’ny Toby Ratsimandrava, toerana misy ilay “cellule mixte” miady amin’ny resaka kidnapping.

Mampatsiaro ny zava-nitranga teny Ankerana ny taona 2005 izao zavatra izao. Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tamin’izany i Mahandry sy Steve, izay samy mpiara-dia amin’i Lama (anisan’ny nokarohina fatratra) kanefa dia nitohy hatrany ny kidnapping karana taorian’izany. Niverina voatonontonona indray anefa ny anaran’i Lama nandritra ireo fakana an-keriny nisesisesy farany teo ireny. Midika izany fa raha tsy ireo atidoha goavana be amin’ity kidnapping ity mihitsy no voasambotra dia mbola ahiana hatrany ny hisian’izany. Amin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana tahaka izao moa no tena mampirongatra ny kidnapping eto amintsika. Hamatsiana vola propagandy?