19/12/2018

“One minute junior 2018”-Amsterdam : Nanandratra avo an’i Madagasikara i Christella

Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara, tany Amsterdam, renivohitr’i Pay-Bas, tamin’ny alalan’ilay sarimihetsika fohy “Fanaka Malemy” i Razanamalala Christella, ilay zazavavy vao 16 taona, avy any Taolagnaro. Tafiditra tao anatin’ireo olona telo nahazo loka tamin’ny fifaninanana « One minute Junior 2018 », tany Amsterdam, renivohitry ny Pay-Bas, izay nandray ny hetsika sarimihetsika (IDFA), nandritra ny roa herinandro i Razanamalala Christella. Mitondra loka mody, izay natolotry ny mpikirakira sarimihetsika Hollandey, taratasy fanamarihana sy fakan-tsary GoPro, mampirisika azy hanohy ny famokarana sarimihetsika fohy hafa. Avy any Hong Kong sy Pays-Bas kosa ireo roa hafa nahazo ny loka. Taorian’ny famoahana ny valin’ny fifaninanana nataon’ny De School, hafaliana ny an’i Christella, ary nambarany fa fandresena ho an’ny zaza malagasy rehetra, indrindra ireo tovovavy izao. “Faly aho amin’ny fahazoako izao loka izao, fa indrindra faly aho fa henon’izao tontolo izao ny tantarako. Fa te-hanao antso amin’ny tompon’andraiki-panjakana rehetra mba hijery ny zavatra iainan’ireo tovovavy any Atsimon’ny Nosy aho, eo amin’ny fanambadiana aloha loatra”, hoy i Razanamalala Christella. Marihina fa horonantsary telo avy aty Madagasikara, izay an’i Sedera, Tsikivy ary Christella no nalefa tany Amsterdam, fa ny an’ity farany no tafakatra tamin’ny famaranana. Nahatalanjona tamin’ireo horonantsary 500 natolotra tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ny an’izy telo ireo. Izy ireo moa dia nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny teknika famokarana sarimihetsika fohy notohanan’ny Unicef ny volana aogositra lasa teo, tany Taolagnaro. Fomba iray hanehoan’ireo tanora ny zavatra iainany andavanandro. Ireo mpandray anjara izay samy nifidy ny foto-keviny manokana.

Laurena Nany