28/05/2018

Olana eo anivon’ny Port Toamasina : Handray fepetra hentitra ny fitondram-panjakana

Nitohy ny famahana ny olana eo anivon’ny Port Toamasina. Ny praiminisitra Olivier Mahafaly mihitsy no nidina tany an-toerana nijery ifotony izany. Nambarany fa handray ny andraikiny ny governemanta amin’ireo kaontenera tsy alain’ny tompony, ka mety amin’ny alalan’ny lavanty na “démolition” ankoatra ny didim-panjakana izay havoakan’ny governemanta atsy ho atsy no hanatanterahana izany . Ny orinasa MCTSL ankilany dia nilaza fa ora roa sy sasany ihany manomboka izao no hanaovana ny fampiakarana ny entana eny ambony fiara be . Hentitra ny lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier nandritra ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mampiasa ny seranan-tsambo na ny miankina io na ny tsy miankina amin’ny fanjakana nandritra ny fihaonana tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana ny amin’ny tokony handraisan’ny rehetra ny anjara tandrify azy eo amin’ny famahana ny olana . Ho an’ny eo anivon’ny faritra Atsinanana dia hisy ny fivoriana maika izay tarihin’ny lehiben’ny Faritra Talata Michèle ny alakamisy teo, izay handinihana haingana miraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny , ny hamahana ny olana amin’iny Boulevard de L’Ivondro iny izay efa simba tanteraka amin’ireo fiara be miandry ny filaharana hamonjy ny seranan-tsambo. Eo ihany koa ny hanatanterahana hetsika goavana fanalana fako miteraka fitohanana amin’io Boulevard de l’ Ivondro io, izay isan’ny mampikaikaiky ny rehetra tokoa izany , na ho an’ireo fiara tsotra na ireo mponina mipetraka manamorona io toerana io.

Miarantsoa