23/09/2018

Ny Fitsarana sampana fandravana : Ny antsasaky ny raharaha ihany no mahazo rariny

Ny lalàna laharana 2004-076 tamin’ny 22 Oktobra 2004 izay nanova ny lalàna laharana 61-013 tamin’ny 17 Jolay 1961, mamaritra ny fandaminana ny fomba fiasa ary ny andraikitra tanan’ny Fitsarana Tampony, izay mizara telo dia ny fitsarana fandravana, ny filan-kevi-panjakana, fitsarana sampana ny fitantanam-bolam-panjakana.

 

Ankalazaina manetriketrika amin’ity taona ity ny faha-56 taona nisian’ity Fitsarana ity. Ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Fitsarana amin’ny sampana fandravana, ny mpitsara Rasolo Elise Alexandrine no nanazava fa ny fitsarana misahana ny fandravana dia “mifampitady amin’ny ady madio sy ady heloka. Eto Antananarivo no misy azy ary ny raharaham-pitsarana rehetra eto Madagasikara izay mila fandravana dia ny fitsarana sampana fandravana ihany no hany tokana mahefa mitsara azy ireny. Ny Fitsarana sampana fandravana anefa dia tsy mijery intsony ny vontoatin’ady mahakasika ny toe-draharaha. Tsy ny raharaha intsony no tsarainy fa ny didim-pitsarana entina eo anatrehany. Ny fitsarana fandravana dia manara-maso ny fanarahan-dalàna nataon’ny fitsarana teo aloha tamin’ny fomba nitsarany ny raharaha. Eo no misy fahadisoan-kevitra eo amin’ny olona izay mieritreritra fa ambaratongam-pitsarana fahatelo ny fitsarana fandravana ka mahatonga azy ireo rehefa tsy nahazo rariny tany amin’ny fitsarana ambaratonga teo aloha, na amin’ny ady heloka tsotra na ady heloka be vava”.

Diso fanantenana

Matetika no lasa fahazarana ny fampiakarana ny raharaha any amin’ny fitsarana sampana fandravana. “Mino izy ireo fa raha andeha ny raharaha dia mety handresy ihany izy. Diso fanantenana  tanteraka izy amin’izany satria ny ady amin’ny toetra sy ny fisehony teny anivon’ny fitsarana ihany no tsy maintsy asian-dresaka aty amin’ny Fitsarana sampana fandravana, izay azo lazaina fa tsy nosainina lalina ny famoahana ilay didy. Ny fangatahana fandravana tsy am-piheverana io dia antony iray mampitombo izay tsy izy ny raharaham-pitsarana any amin’ny fitsarana sampana fandravana. Kanefa rehefa tena dinihana dia tsy mahatratra ny antsasaky ny raharaha miakatra any akory no mahazo rariny”. Ankoatra io, “ny Fitsarana sampana  fandravana dia nanamarina fa fitsarana mivoaka, ary mijery ny ambaratongam-pitsarana rehetra amin’ny fanarahana ny lalàna velona eto amin’ny firenena. Adidy lehibe izany satria tsy azo sainina ny fiantraikan’ny didy roa nivoaka mifanipaka mikasika ny raharaha iray. Andraikiny ihany koa ny manara-maso sy manao fisafoana ny sampam-pitsarana rehetra manerana ny nosy, ny Fitsarana misahana ny fandravana ka manitsy ny fomba fiasa tsy nety ary maneho soso-kevitra amina raharaha mikasika ny fitsarana”. Taona maro anefa izay no tsy nahafahan’izy ireo nanao ny fisafoana intsony noho ny antony samihafa indrindra fa ny tsy fisian’ny ho enti-manana sy ny manatanteraka.

Betsaka ny asa miandry

Efa notaterina teto ihany ny asa vita teo anivon’ny Fitsarana sampana fandravana, ho an’ny fampanoavana raha atambatra ny ady heloka sy ny ady madio dia ny vary mangatsiaka tamin’ny taona 2015 dia miisa 1 401, ny vao niditra tamin’ny 2016 dia 1 670, ny raharaha nilana fehin-kevitra dia 3 071, ny fitsarana vita fehin-kevitra tamin’ny 2015 dia 1 941, ny vary mangatsiaka tsy vita dia 1 130. Ny famoahana didy indray izay vary mangatsiaka ny 2015 dia miisa 8076,  ny raharaha vaovao vao niditra tamin’ny 2016 dia 2 661, ny raharaha tokony ho notsaraina tamin’ny 2016 dia 9 817, ny fitambaran’ny raharaha anaovana tatitra dia 3 001, ny fitambaran’ny raharaha nahavitana 1 726, ny vary mangatsiaka mbola anaovana tatitra 1 275. Ny raharaha tokony hotsaraina dia 9 876 tamin’ny 2016 dia 2 003 no voatsara ary ny vary mangatsiaka dia mahatratra 8 994. Maro ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra nanao ny tatitra mikasika an’ity sampam-pitsarana ity fa mbola entina eto amin’ny fotoana manaraka ihany koa ny antsipirihiny.

Mitarazoka ny raharaha

Araka ny fanazavana nomen’ity mpitsara ity ihany dia “maro ny antony mahatonga izany, dia ny fiandrasana ny taratasin’ady izay misy an-taona maro ao aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana vao tonga. Fiandrasana ireo antontan-taratasin’ady voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy arotsaky ny mpiady. Maro no tsy manaraka ny paikady voalazan’ny lalàna fa mangataka fandravana fotsiny dia mihantona eo ny antotan-taratasin’ady. Tsy ampy ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny fitsarana fandravana. Ny hisian’ny fitsarana madio sy atokisan’ny vahoaka no tena tanjon’ny fitsarana. Maro ny famindrana fahefam-pitsarana natao tato ho ato mba mba hialana amin’ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka sy noho ny fitarainana nataon’ny mpiady noho ny fihetsika mampiahiahy ataon’ny mpitsara ao amin’ny fitsarana misahana ny raharaha”.

Raha fehezina dia maro ny asa mbola miandry an’ireo mpitsara, tsy arakaraka ny fahamaizan’ireo manana raharaha eny aminy, kanefa izy ireo ihany koa no mariky ny fanjakana tan-dalàna voalohany. Tsy azo atao ambanin-javatra ny raharaham-pitsarana indrindra raha eto amintsika. Mila faharetana, satria misy koa ny zavatra tsy hahafahan’ireo mpitsara manoatra manoloana ny zava-misy iasany.

Nangonin’i Ny Aina Razaka