17/01/2018

Nosy La Réunion : Pretra gasy voaheloka higadra 15 taona an-tranomaizina

Fanafonjana 15 taona an-tranomaizina no sazy azon’i David Ramara, ilay pretra malagasy 43 taona  mizaka ny zom-pirenena “tamoul” ihany koa, voarohirohy tamin’ny fanolanana tovovavy 16 taona, miisa roa tany La Réunion, teo anelanelan’ny taona 2012 sy 2014. Omaly no nivoahan’io didy io, tany amin’ny lapan’ny fitsarana tany Assises. Nanomboka ny alarobia lasa teo ity voampanga ity sy ireo mpitory azy no nohenoina nanoloana ny mpitsara tao amin’ity nosy rahavavy ity. Roa andro no fem-potoana faharetan’ izany, izay  tapitra omaly alakamisy. Nandà ny fiampangana azy hatramin’ny farany moa ity mpitondra fivavahana metisy “tamoul” ity, ary mbola nilaza izy nandritra ny fifandaharana fa fanosoram-potaka ny heloka hanendrikendrehana azy. Voaporofo, ary feno tanteraka anefa ny fepetra hanenjehana azy, ka izao niharan’ny sazy izao. Raha ny voalazan’ny gazety iray ao La Réunion ihany, dia mbola nikasi-tanana ny olona niaraka taminy teo aloha, izay naka ny entany tao an-trano ity pretra ity ny talata alohan’ny alarobia nandehanan’ny fotoam-pitsarana. Nitaraina manoloana ireo mpitsara ihany koa ity vehivavy ity noho ny zavatra nahazo azy. Tamin’ny fomba hafa mihitsy moa no namandrihan’ity mpitondra fivavahana ity ireo tovovavy tsy ampy taona ireo, ka rehefa resy lahatra hanampy azy tamin’ny fanomanana ny fotoam-pivavahana izay hatao ireto farany, dia izao nanararaotany nanaovana ny filan-dratsiny izao. Ny taona 2014 no nametraka fitoriana ireo tovovavy ireo sy ny fianakaviany. Raha ny loharanom-baovao aza, dia efa nipetraka tao aminy nandritra ny iray volana mihitsy ny iray tamin’ireo niharan-doza ireo, ka niharan’ny fanolanana nisesisesy mihitsy. Tsy resaka fanolanana zaza tsy ampy taona ihany no hiampangana ity lehilahy  pretra ity, fa  mbola voarohirohy tamin’ny resaka fisandohana sy famonoana olona tamin’ny lozam-piarakodia niseho ny taona 2004, ary fandraisana zava-mahadomelina  ihany koa ity teratany Malagasy sy “tamoul” ity.

 

 

Mialy R.