18/10/2018

Nosy Mitsiho : Olona 15 saika haondrana any Mayotte

Olona 15 izay nahitana ankizy miisa 05 no saika naondrana an-tsokosoko tany amin’ny nosy Mayotte ny alahady vao maraimbe lasa teo. Tao amin’ny nosy Mitsiho izy ireo no tratran’ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’Ambilobe rehefa niala, ary nandeha sambokely haingam-pandeha tany Nosy Be herinandro lasa izay. Vao niainga iray andro hihazo an’i Mayotte anefa izy ireo, dia maty ny moteran’io fitaovam-pitaterana io, ka natsingevan’ny rano sy nentin’ny rivotra niantsona teo amin’ity nosy Mitsiho ity nandritra ny 04. Nahazo fampilazana mahakasika izany ireo mpitandro filaminana, ka niantso ny sefo fokontany sy ny tompon’andraikitra hafa mba hanakana io sambo io tsy hiala eo amin’ilay toerana mandra-pahatongan’izy ireo. Rehefa nigadona teo amin’io nosy io ireo zandary io 11 martsa vao maraimbe io, dia nandray an-tanana ny fanadihadiana ireo olona ireo, izay nivaky fa ho any Mayotte. Rehefa notakiana anefa ny taratasy ahafahan’izy ireo mivoaka eto an-toerana, dia tsy nahitana na iray aza. Noho izany, dia notanana avy hatrany ny mpanamory io sambo io sy ny mpanampy azy niaraka tamin’ireo olona miisa 15. Rehefa nifampita vaovao ihany koa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, dia nilaza ny avy eo anivon’ny kaompania Nosy Be fa nisy tamin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy no efa nametraka fitoriana mahakasika ny fahaverezan’ny zanany. Rehefa nojerena tokoa dia isan’ireo ankizy nifampitadiavan’ny fianakaviany ny 04 tamin’izy ireo. Nalefa any Nosy Be moa ireo olona rehetra ireo, ary mbola hitohy any an-toerana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.

Mialy R.