15/08/2018

Nosy Be Hell-Ville : Teratany frantsay voatafika, lasa ny vola 300 Euros

Lehilahy teratany frantsay, 61 taona antsoina hoe Desmoulins Didier sy ny vadiny teratany malagasy no notafihina telolahy nitondra fitaovam-piadiana toa ny antsy tao amin’ny trano fonenany tany amin’ny fokontany Ambondrona Avaratra Dzamandzar , distrikan’i Nosy Be, faritr’i Diana ny alatsinainy lasa teo. Araka ny nambaran’ny polisy any an-toerana, izay nandray an-tanana ny raharaha, dia tokony ho tamin’ny 09 ora sy 45 minitra alina teo no nitrangan’izany. Niditra an-keriny tao amin’ny tanànan’ity teratany vahiny izay voalaza fa mpizaha tany ity ireo jiolahy ireo. Nisaron-tava ny roa raha toa ka tsy nanafina endrika kosa ilay olon-dratsy fanintelony.”Vao tonga izy ireo dia niady tamin’ilay mpiambina ny tanàna. Rehefa lavo tamin’ny tany io lehilahy io dia niditra tao an-trano tao amin’ilay vazaha izy telolahy avy eo ary nandroba”, hoy ny fanampim-panazavana avy any an-toerana. Nalain’ireo olon-dratsy ny vola vahiny 300 Euros, niaraka tamin’ny vola mitentina 09 tapitrisa Ariary ary ny finday tao amin’ity tokantrano ity. An-keviny nisy fifandroritana ihany koa teo amin’ireo niharan-doza sy ireo olon-dratsy satria dia naratra mafy ihany koa izy mivady ireo, izay samy nentina teny amin’ny hopitaly niaraka tamin’ilay lehilahy mpiambina ny tanàna voafira zava-maranitra teo amin’ny faritry ny lohany.

Mpiambina teo aloha

Manoloana ity tranga ity, dia manahy mafy ny mpiambina ny tanànan’izy ireo teo aloha, ho tompon’antoka amin’izao asa ratsy izao, izy mivady ireo. Raha ny voalaza hatrany mantsy, dia nisehoana fifamaliana be teo amin’io mpiasa io sy ilay ramatoa vadin’ilay vazaha izay niafara tamin’ny fanesorana io mpiambina io. Marihina moa fa tranon’ny naman’ireo niharan-doza ihany io tanàna fivantanan’izy ireo rehefa tonga any an-toerana io, ary manofa izy ireo amin’izany. Noho ny ratra mafy nahazo azy teo amin’ny faritry ny lohany moa, dia namoy ny ainy ny talata alina lasa teo io mpiambina io. Nalefa nody ny andron’ny nisehoan’ny fanafihana kosa ilay teratany frantsay sy ny vadiny rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ao amin’ity distrika ity moa ny raharaha, ary efa mandeha ny fikarohana ireo jiolahy izay tafaporitsaka taorian’izao asa ratsy izao.

Mialy R.