23/06/2018

Nanisana : Raim-pianakaviana maty notifirin’ny jiolahy

Lehilahy iray indray no namoy ny ainy, notifirin’ny jiolahy mpanao fanafihana teo amin’ny valahany tao an-tranony teny Nanisana ny alin’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva. Araka ny loharanom-baovao, dia notafihan’ny olon-dratsy nitondra basy ny tsena fivarotana enta-madinika iray teny an-toerana. Vao nigadona manoloana io tsena io ireo mpanafika, dia nitaky ny hamoahana ny vola avy hatrany. Nanidy varavarana avy hatrany io raim-pianakaviana io ka notifirin’ireo olon-dratsy. Vantany vao naheno ny poa-basy ny manodidina, dia nivoaka, ka nitari-dositra nitsoaka ireo mpanafika . Tsy nahazoam-baovao moa ny mahakasika ny entana voaroba tao amin’ity trano fivarotana ity ankoatra ny vola notakian’izy ireo. Nentina namonjy hopitaly ihany koa io niharan-doza io, saingy tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga teny an-toerana. Raha ny voalazan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena kosa, dia tsy nahazo vaovao mahakasika ity tranga ity izy ireo raha tsy omaly maraina.

Mialy.R